vatsim-pianarana : misokatra ny fangatahana

Misokatra ny vatsim-piana­rana avy amin’ny Sam­pandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny si­ansa sy ny kolontsaina, Unes­co, ho an’ity taona ity. Na­toka­na ho an’ny tanora siantifika, anatin’ny fandaharanasa miompana amin’ny olombelona sy ny tontolony izy io na ny vatsim-pianarana MAB.
Tanjona amin’io vatsim-pianarana io ny fampirisihana ny tanora siantifika, indrindra ireo tanora aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, mba hikaroka miompana amin’ny tontolon’ny aina sy ny maha olona.
Kendrena ny fahafahan’ny tanora mampiasa ny sehatra hiasan’ny tetikasa samihafa izay ahitana taratra ny toerana hisian’ny aina: anaty rano, tany rivotra ary ny biosfera.
Omena sehatra ny tanora siantifika izay vonona hanao ny fikarohana hampitovy ny zava-misy iainany ao amin’ny firenena misy azy sy ny zava-misy any amin’ny firenen- kafa.
Anaty fikarohana koa ny fifanakalozana ny tsara ho fan­tatra sy ny traikefa eo amin’ny samy tanora siantifika ha­trizay sy ny vao misandratra.
Ny vatsim-pianarana amin’ ity taona ity dia mahakasika ny tontolon’ny ranomasina sy ny moron-dranomasina, izay ahitana ny tahirin’ny biosfera.
Afaka mandray anjara amin’ny fangatahana ity va­tsim-pianarana ity ireo tanora latsaky ny 35 taona, mahafeno ny antontan-taratasy takina, toy ny vokatry ny fikarohana efa nataony momba ny biosfera. Vonona ny hampihatra ny drafitrasa anatin’ny fifanarahan’i Lima sy vonona hikaroka momba ny fampandrosoana maharitra lovain-jafy ihany koa.
5000 dolara amerikanina no vatsim-pianarana ambony indrindra ho azo amin’izany. Ny asa fikarohana kosa dia tsy maintsy vita anatin’ny roa taona.
Anisan’ny fepetra takina koa ny hoe: ny tanora nanao ny fikarohana dia tsy maintsy manao tatitra an’io voka-pikarohany io amin’ny komity nasionaly misahana ny vatsim- pianarana, MAB sy amin’ny mpamatsy ny vatsim-piana­rana avy amin’ny MAB, ao Paris.
Ny 27 marsa izao no daty farany fanaterana ny antontan-taratasy rehetra, etsy amin’ny Unesco Behoririka, ho an’ izay tanora siantifika liana amin’ny fikarohana momba ny biosfera.

Tatiana A

Partager sur: