Nahitana ilan-tongotr’olona teny akaikin’ny tsenan’ Anjanahary, omaly maraina, tsy lavitry ny fasam-bahiny. Somary masaka ilay tongotra ary tsy mbola rava ireo nofo. Tsy nahitana diana kaikitra ihany koa ity ilan-tongotra ity. Tonga teny an-toerana ny polisy sy ny dokotera ary ny BMH nijery izany.
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Miarinarivo ilay lehilahy voatondro ho namono sy nahafaty ny ramatoa vadiny, ny alarobia lasa teo. Hita tamin’ny valin’ny “autopsie” fa vono sy ratra niniana natao no nitarika ny fahafatesan’ilay renim-pianakaviana. Feno mangamangana sy ratra ny tarehy sy ny lamosin’io vehivavy maty io.