“Mankalaza ny herinandro masina isika. Koa mitaona ny tsirairay handini-tena, hanaiky hiala amin’ny ratsy fanao, hibebaka.” Io ny hafatry ny FFKM, nentin’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi,
amin’izao herinandro masina mialoha ny Paska izao. Mba handraisan’ny rehetra ny fanavaozan’ny Fanahy Masina izany. I Jesoa velona nandresy ny fahafatesana ankalazaina amin’izao herinandro masina izao sy ny andron’ny Paska anie hanome ny tsirairay aina vao sy fanantenana ao aminy.
“Matoky isika fa misy ny famonjena ao anatin’ny fahoriana sy ny fahasarotam-piainana ary ny aloky ny fahafatesana vokatry ny loza samihafa. Entanina hatrany isika hivavaka ho an’ireo asa masina ataontsika izao sy ho an’ny firenentsika”, hoy ny hafatra. Ho amin’ny rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy. Ilay zanaka lahimatoa sady velona no natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany, araka ny Apokalypsy 1: 5. Nanao sonia izany amin’ny anaran’ny FFKM ireo filoham-piangonana efatra.
Mafanafana ratsy ihany ny toe-draharaham-pirenena
Na izany aza, tsy takona afenina fa mafanafana ratsy ihany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy mitsahatra fa toa vao mainka mihamitombo sy mihamafy aza, ohatra, ny hetsika sy fanambarana politika etsy sy eroa. Tandindonin’ny fifidianana? Nanampy trotraka izany ny fanambaran’ny minisitry ny Atitany tamin’ny faran’ ny herinandro teo, fa tsy azo atao intsony ny manao famoriam-bahoaka an-dalambe na ankalamanjana. Tsy maintsy ao anaty efitrano no anaovana izany, na hoe malalaka aza ny fanehoan-kevitra. Ho filaminam-bahoaka no hoe antony.
Nefa toa mifanohitra be ihany amin’izany izay mitranga sy iainana amin’izao, raha ny fijery sy ny fanehoan-kevitra ary afitsoky ny mpanao politika sasany. Nisy, ohatra, ny famoriam-bahoaka nataon’ ny filoha teo aloha, Ravalomanana, tany Sambaina Manjakandriana, omaly. Tsy misy izay filaminana sy fitoniana, na ao anatin’izao herinandro masina izao aza. Ho tonga hatraiza? Na izay hoe fandinihan-tena hialana amin’ny ratsy fanao amin’ny paipaika sy kajikajy politika eo amin’ ny samy mpanao politika aza…
R. Nd.




