Tetikasa Filamatra : nahafa-po ny zava-bita teny amin’ny kaominina Tsiafahy

Tapitra tamin’ity taona ity ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ny fikambanana Cemes, tany amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Miisa 274 ny mpisitraka nahatojo hatramin’ny farany, niofana ara-teknika ny lafiny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nahafa-po ny vokatra azo, na misy aza ny lesoka mila harenina.

Tanjon’ny tetikasa Fi­lamatra, ny hampihenana ny tsindry mikasika ny tontolo iainana ho an’ny mponina manodidina ny reniranon’Ikopa sy Si­saony, ao anatin’ny fokontany miisa 15 ao anatin’ny kaominina Tsiafahy. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny tontolo manodidina, ny fandrindrana ny asam-pambolena sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny seha-piharian’ny mponina. Namba­ran’ ny filohan’ny filankevi-pi­tantanan’ny Cemes, ny Dr. Andriamaro Luciano, fa nifantoka tamin’ny fifandrohizan’ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny fanjarian-tsakafo ny tetikasa, satria mifampiankina daholo ireo.
Natsangana ny fikambanan’ny tantsaha miisa 15 manerana ireo fokontany ao anaty kaominina ireo. Na­hatratra 306 ny olona ao, naneho fahavononany tany am-boalohany, saingy 274 ireo tena nahatojo hatramin’ny farany.
Anisan’ny natao ny fampianarana ny tantsaha hamokatra zana-kazo, ny fananganana tanin-janakazo, ny fambolen-kazo. Eo koa ny fampianarana mamboly manaraka fenitra teknika, ny fisorohana sy mitsabo ny zavamaniry tsy mila mampiasa akora simika, fa mifototra amin’ny atao hoe « ady gasy », ny famokarana zezi-pahitra, sns. Nizarana fitaovam-pamokarana koa izy ireo, toy ny borety (7), ragiragy (16), siny fanondrahana (16), milina fisintonan-drano (motopompes) (3), sns.
Nahomby ny 60%-n’ny fambolen-kazo, ny 46%-n’ny fambolena
Miisa 4.500 ny zanakazo novinavinaina tany am-piandohan’ny tetikasa, ka 2.500 ny hazo tsotra, 2.000 ny hazo fihinamboa. Rehefa nandeha ny asa, nitombo ny zanakazo voavoly, ka tafakatra 4.092 ny hazo tsotra, ary 6.359 ny fihinamboa ary « vetiver » 2.000, nambolena tamin’ny sisin’ny renirano roa. Izany hoe, nitotaly 11.760 tamin’ny taona 2022. Rehefa nojerena anefa tamin’ity taona 2023, niisa 7.141 ny zanakazo tena naniry, manome taham-pahombiazana 60,72%. Misy mahatratra 1,50 m ny haavon’ny papay tao anatin’izay roa taona izay.
Ho an’ny fambolena, miisa 20 ny karazam-boly natao, indrindra ny vary sy ny anana sy ny legioma (tsaramaso, haricot vert, frezy, petit pois, sns). Tsara ny vokatra ho an’ny 46,12%, antonony ny 23,25% ary tsy nahomby ny 30,63%. Isan’ny nosokajiana ho tsara ireo izay nitombo ny vokatra miohatra ny fanaony tany aloha, nanana ambim-bava sy masomboly hoentina amin’ny famokarana manaraka. Nilaza i Marzel, fa « tsara ny vary, na tsy mbola vokatra aza, fa tarafina amin’ny raviny izay tena mirobona to­koa ». « Afaka nandoavana ny sara-pianaran’ny ankizy ny tombony azoko tamin’ny tsaramaso », hoy i Richard. « Tena nalemy ny tany raha vao nampiasa ny zezi-pahitra Bokashi », hoy kosa i Rtoa Raivo. Niray feo izy ireo, fa vonona ny hanatsara ny zava-bitany na efa tapitra aza ny tetikasa Filamatra.Miisa dimy ny vondrona nahavita nandrafitra drafitrasa vaovao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: