Tapitra tamin’ity taona ity ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ny fikambanana Cemes, tany amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Miisa 274 ny mpisitraka nahatojo hatramin’ny farany, niofana ara-teknika ny lafiny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nahafa-po ny vokatra azo, na misy aza ny lesoka mila harenina.
Tanjon’ny tetikasa Filamatra, ny hampihenana ny tsindry mikasika ny tontolo iainana ho an’ny mponina manodidina ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, ao anatin’ny fokontany miisa 15 ao anatin’ny kaominina Tsiafahy. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny tontolo manodidina, ny fandrindrana ny asam-pambolena sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny seha-piharian’ny mponina. Nambaran’ ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Cemes, ny Dr. Andriamaro Luciano, fa nifantoka tamin’ny fifandrohizan’ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny fanjarian-tsakafo ny tetikasa, satria mifampiankina daholo ireo.
Natsangana ny fikambanan’ny tantsaha miisa 15 manerana ireo fokontany ao anaty kaominina ireo. Nahatratra 306 ny olona ao, naneho fahavononany tany am-boalohany, saingy 274 ireo tena nahatojo hatramin’ny farany.
Anisan’ny natao ny fampianarana ny tantsaha hamokatra zana-kazo, ny fananganana tanin-janakazo, ny fambolen-kazo. Eo koa ny fampianarana mamboly manaraka fenitra teknika, ny fisorohana sy mitsabo ny zavamaniry tsy mila mampiasa akora simika, fa mifototra amin’ny atao hoe « ady gasy », ny famokarana zezi-pahitra, sns. Nizarana fitaovam-pamokarana koa izy ireo, toy ny borety (7), ragiragy (16), siny fanondrahana (16), milina fisintonan-drano (motopompes) (3), sns.
Nahomby ny 60%-n’ny fambolen-kazo, ny 46%-n’ny fambolena
Miisa 4.500 ny zanakazo novinavinaina tany am-piandohan’ny tetikasa, ka 2.500 ny hazo tsotra, 2.000 ny hazo fihinamboa. Rehefa nandeha ny asa, nitombo ny zanakazo voavoly, ka tafakatra 4.092 ny hazo tsotra, ary 6.359 ny fihinamboa ary « vetiver » 2.000, nambolena tamin’ny sisin’ny renirano roa. Izany hoe, nitotaly 11.760 tamin’ny taona 2022. Rehefa nojerena anefa tamin’ity taona 2023, niisa 7.141 ny zanakazo tena naniry, manome taham-pahombiazana 60,72%. Misy mahatratra 1,50 m ny haavon’ny papay tao anatin’izay roa taona izay.
Ho an’ny fambolena, miisa 20 ny karazam-boly natao, indrindra ny vary sy ny anana sy ny legioma (tsaramaso, haricot vert, frezy, petit pois, sns). Tsara ny vokatra ho an’ny 46,12%, antonony ny 23,25% ary tsy nahomby ny 30,63%. Isan’ny nosokajiana ho tsara ireo izay nitombo ny vokatra miohatra ny fanaony tany aloha, nanana ambim-bava sy masomboly hoentina amin’ny famokarana manaraka. Nilaza i Marzel, fa « tsara ny vary, na tsy mbola vokatra aza, fa tarafina amin’ny raviny izay tena mirobona tokoa ». « Afaka nandoavana ny sara-pianaran’ny ankizy ny tombony azoko tamin’ny tsaramaso », hoy i Richard. « Tena nalemy ny tany raha vao nampiasa ny zezi-pahitra Bokashi », hoy kosa i Rtoa Raivo. Niray feo izy ireo, fa vonona ny hanatsara ny zava-bitany na efa tapitra aza ny tetikasa Filamatra.Miisa dimy ny vondrona nahavita nandrafitra drafitrasa vaovao.
Njaka Andriantefiarinesy




