Nahitam-bokatra ny iraka nataon’ny mpiambina manokana ny filohan’ny Fanavaozana tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betroka. 15 lahy sy zandary iray voasambotra. Ahina ho tompon’antoka amin’ny fakana mason’ny zaza varira. Voalaza fa amidy 400 tapitrisa Ar izany.
Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fisian’ny mpivarotra mason’olona varira, tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betroka. Manoloana izany, nanirika ny mpiambina azy manokana ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Nisy ny fanadihadiana niarahan’izy ireo tamin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana sy ny manampahefana toy ny lehiben’ny disitrika sy ny fampanoavana.
Voasambotra ny sivily miisa 15 sy zandary iray, raha ny fanambarana nataon’ny mpamita iraka tetsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra, omaly. Voalaza fa tompon’antoka sy voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza varira iray izy ireo. Mbola namono ny rain’ity zaza lasibatra ity. Noentina aty Antananarivo izy ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana mialoha ny hampiakarana ny raharaha eo anivon’ny fampanoavana.
Nofandrihana
Nofandrihana tamin’ny alalan’ny fiantsoana an-telefaonina ny olona nilaza fa mihazona sy mivarotra varira. Nasaina niakatra teto Antananarivo mba handraketana ny fifanarahana. Tonga tamin’ny fotoana nifanomezana ny roa tamin’izy ireo. Nisy mpampianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Betroka. Nanampy azy ny mpitsabo mpanampy ao amin’ny hopitaly iray an-toerana. Nosamborina izy roa lahy. Nanonona anarana olona roa nandritra ny famotorana. Ireto farany no voalaza fa mpisera varira sy mahita ny olona mpividy. Nitohy ny fanadihadiana, nisy zandary am-perinasa iray anatin’ny tambajotra.
400 tapitrisa Ariary
Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa hamidy 400 tapitrisa Ariary ny masona varira iray. Efa misy ny olona nilaza hividy saingy mbola karohina. Notahirizina sy nofonosina tao anaty solofanina mainty ny mason’izay varira lasibatra, izay efa nasiana saribao voatoto anaty kapoaka.
Raha tsiahivina, nalain’ny andian-jiolahy miisa 10 an-keriny tany Mahabo, disitrikan’i Betroka ny zaza varira iray, ny volana mey lasa teo. Notifirin’izy ireo tamin’ny basy ny dadan’ilay zaza ka maty tsy tra-drano rehefa nikasa hanohitra. Nafenina tao amin’ny trano iray nandritra ny iray volana ilay zaza. Namoy ny ainy izy taorian’izay satria voalaza fa narary. Nokapaina tamin’ny famaky ny karan-dohany rehefa tsy nisy aina intsony. Nosokirina ny masony miisa roa mialoha ny nandevenana azy.
Mino




