CUA – Fetin’ny Paska: 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Antananarivo

Manodidina ny 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Anta­na­na­rivo aloha sy mandritra ny fetin’ny Paska. Hiaro sy hiandraikitra ny filaminam-bahoaka izy ireo mandritra izany.

Ho fitandroana ny filaminam-bahoaka mandritra ny fetin’ny Paska. 445 ireo polisy monisipaly hahetsika ary hiandraikitra raharaha maro samihafa eto Antananarivo. Hiatrana manerana ny toerana rehetra izy ireo manomboka rahampitso ha­tramin’ny 11 avril izao. Tan­jona ny hiatrehan’ny mponina ny fetin’ny Paska am-pilaminana.
Hiandraikitra sy hiaro ireo fotodrafitrasa maro samihafa eto anivon’ny tanànan’Anta­nanarivo izy ireo mandritra izany. Anisan’izany, ny fitandroana ny fahadiovan’ny ta­nàna rehetra. Indrindra ny eny amin’ireo zaridaina sy toerana samihafa natokana ho an’ny besinimaro. Ankoatra izay, handamina, hanara-maso sy hanampy ary hanoro lalana ny olona izy ireo. Hisy azy ireo avokoa ny toeram-pitsangantsaganana malaza rehetra eto Antananarivo.
Tsiahivina fa hosaziana ireo olona mandika lalàna sy tsy manaja fandaminana rehetra mandritra io fe-potoana io. Voakasik’izany ny mpivarotra toaka ankalamanjana tsy na­hazo alalana. Hisokatra ny zaridainan’ Ambohijatovo sy Anosy amin’ny fetin’ny Paska, raha ny vaovao voaray. Ahi­tana azy ireo eny an-toerana ary hisy ny lamina manokana amin’ny fidirana ao.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: