Filaharan’ny Fifa: nivarina ho faha-110 i Madagasikara

Namoaka ny filaharana vaovao amin’ny baolina kitra eran-tany ny federasionina iraisam-pirenena, nilatsaka any amin’ny faha-110 i Madagasikara, raha toa ka faha-102 teo aloha.

Nivarina any amin’ny laharana faha-110 i Madagasikara eo anivon’ny Fifa, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ity fikambanana iraisam-pirenena’ny baolina kitra ity, omaly, manana isa 1181, 21 ny Malagasy. Tsiahivina fa teo amin’ny faha-102 ny toerana nisy ny Barea, ny taona 2022, izany hoe nihemotra toerana valo.

Tsiahivina fa nioty vokatra ratsy ny Barea, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona hiatrehana ny Can Côte d’Ivoire 2023. Anisan’izany ny faharesena nanoloana an’i Ghana, tamin’ny isa 3 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso, natao tany Ghana sy ny faharesena indroa misesy nifandona tamin’i Centrafrique, 3 no ho 0 tamin’ny lalao mandroso, teo Mahamasina ary 2 no ho 0 teo amin’ny lalao miverina tany Cameroun.

Ankoatra izay, tsara ihany ny mampahatsiahy fa nahazo vokatra tsara ny Barea nandritra ny fifanintsanana Chan, Alzeria 2022, izay natao ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary lasa teo, nahazo medaly alimo ny ekipa malagasy. Marihina fa tsy mbola fantatra ny mpanazatran’ny Barea, taorian’ny fametraham-pialana nataon’i Nicolas Dupuis.

Niakatra eo amin’ny faha-122 i Centrafrique

Taorian’ny vokatra tsara azon’ny Les Fauves, Centrafrique tamin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2023, niakatra eo amin’ny laharana faha -122  izy ireo,  raha toa ka faha-132 teo aloha. Manana isa 1145.69 ny Les Fauves.

Ity ekipam-pirenena miray vondrona amintsika ity, manana fanantenana ho tafakatra amin’ny Can satria eo amin’ny laharana faharoa no misy azy ireo, manana isa 7.

 

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: