Hotanterahina ny 22-23 avrily ho avy izao ny fifanintsanana ho an’ireo orinasa mikirakira vaovao, na “Inter médias 2023”. Araka ny valandresaka nataon-dRasoloarison Monica Harimbola, filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto amintsika (OJM), omaly, teny Ambohidahy, natao hampiray ny mpanao gazety rehetra ny fifaninanana. Ny taranja baolina kitra ho an’olona fito na “Foot à 7” sy ny basikety hiarahan’ny lahy sy ny vavy na “mixte” no hifaninanan’ny rehetra. Noferana ho 60.000 ariary ny fisoratana anarana. Raha ny fanazavan’ny mpikarakara dia mahazo mandray anjara avokoa ny mpanao gazety rehetra. Voafetra ho 13 ny isan’ny lisitrin’ny mpilalao ho an’ny Foot à 7, ary ahitana mpanazatra 2, raha toa ka mpilalao 10 sy teknisianina 2 ny an’ny basikety. Tsiahivina fa amin’ny 20 avrily ho avy izao ny hametrahana ny lamina ara-teknika rehetra. Marihina fa tsy mbola fantatra ny kianja hanatanterahana ny fifaninanana, raha toa ka amin’ny 6 mey ho avy izao ny dingan’ny manasa-dalana sy ny famaranana rehetra.
Fitia (Mpianatra asa)