Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo tanora mpametaveta tovovavy virijiny sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. 22 ireo mpianatra voasambotra miampy ireo telo lahy mpitarika.
Tsy mety fay mihitsy! Tsy niandry ela fa taorian’ny fitsirihana ireo kizo ahina fa misy ny fiafenan’ireo zatovolahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana mpametaveta ankizivavy virijiny “Gool Den Team”, tratra ihany ireo telo lahy mpitarika izany, afakomaly. Ankoatr’ ireo telo lahy mpitarika, mpianatra 22 vosambotra omaly. Mampiasa anarana miafina amina tambajotran-tserasera Ti Teuf (Leader) izy ireo. Nitarika ny hetsika nahafahana nanao ny fisamborana ireto zatovo mahery setra ireto ny lefitry ny kaomandin’ny kaompania Ter-Toamasina. Vokany, tratra voalohany tao an-tranon’ny ray aman-dreniny ao Vohitsara, kaominina Toamasina II, i Lahiniriko Cledos, 17 taona fantatra amin’ny anaram-bosotra hoe Cledos. Tsy nanano sarotra ny fanadihadiana azy mba hahafahana misambotra ireo roa lahy namany sy mpiray tsikombakomba aminy. Natao ny fanadihadiana savaranonando ka nilaza sy nanoro ireo namany izy. Voasambotra tao an-tranony, omaly maraina, tao Tanamakoa, i Tantara Kassimo tompon’ny solon’anarana hoe “Ti Teuf”, 17 taona sy Razanamahonina Guliot Costant na “Ginot”, 18 taona. Nahitam-bokany ny fifampiresahana tamin’ireo telo vavy taorian’ny fihazonan’ireo zatovolahy mpametaveta ankizivavy ireo. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana ataon’ny zandary hahafantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity.
Mitondra faisana ny ankizivavy virijiny…
Ankizivavy maro no efa lasibatr’ireo andiana fikambanana zatovo maditra sy manao fifanarahana amin-javatra tsy fantatra “Gool Den Team”. Ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa misy fifandraisany amin’ny FLM (Fikambanan’ny Liandra Mahery) ny “Gool Den Team”. Anton’asan’izy ireo ny fametavetana ankizivavy virijiny. Rehefa vita ny filan-dratsin’izy ireo, avotsony ireo ankizy iharan’ny fanolanana, saingy lasa tsy tompon’ny tenany aorian’izay.
Aiza ireo andian’olona mpanohana ireto andian-jatovo mpanao fihetsika mamoafady ireto? Misy olona mahita tombontsoa manokana amin’ny fisiana fikambanana mpanao herisetra toy izao. Sao tokony hiara-homena ny sazy faran’izay henjana. Lalana iray hahafahana manaparitaka ireo zava-mahadomelina mahery vaika ihany koa itony fikambanana itony ka maro ireo tanora no roboka amin’izany. Toamasina rahateo toerana ifamezivezen’ireo zava-mahadomelina mahery vaika ary efa voaporofo ny fisian’ireo tambajotra goavana misehatra amin’izany, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Tokony hahatonga saina ny tanora mbola tsy tafaroboka ny fisiana trangan-javatra toy izao satria manimba ny hoaviny izany. Na eo aza ny fahasarotan’ny fitaizana sy ny fanabeazana amin’izao fotoana izao, manana andraikitra goavana ihany koa ny ray aman-dreny manoloana ny raharaha toy izao. Aoka tsy hifanilika andraikitra! Tato ho ato, efa miainga any koa ny fisian’ireo tovovavy manao fihetsika mamoafady any amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”.
Sajo/Jean Claude