Volley Mada 2023: hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina manomboka anio 7 avrily 2023, any Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy diviziona faharoa, lahy (2DM) sy vavy (2DF) ary ny zandriny U14, U16, U20. Fifaninanam-pirenena tafiditra amin’ny taom-pilalaovana 2023. Nahitana mpandray anjara efatra avy, ny  2DM sy ny 2DF. Miisa telo ireo solontenan’Analamanga ao amin’ny 2DF, anisan’izany ny ASSM Saint Michel sy ny SQUAD, ary ny ASI. Ekipa roa ihany ny avy eto an-drenivohitra ho an’ny 2DM, ny SDV sy ny Pôle GNVB. Araka ny lalàna mifehy ny fifaninanana, foanana ny fifanintsanana raha latsaky ny efatra ny mpandray anjara, noho izany, najanona ny fifanandrinana eo amin’ny sokajy U14 lehilahy sy U16 lehilahy.

Fitia (Mpianatra asa)

 

Ireo mpandray anjara isaky ny sokajy

Diviziona faharoa :

Lahy  : SDV Analamanga, Pôle GNVB Analamanga, NADJ Atsinanana, AVBA Vakinankaratra

Vavy : ASSM Analamanga, SQUAD Analamanga, ASI Analamanga, AVBA Vakinankaratra

Sokajy U16 vehivavy : GNVB Analamanga, EVRA Boeny, ASI Analamanga, EVBI Ihorombe, EVBFi Boeny

Sokajy U14 vehivavy : CRJS Atsinanana, GNVB Analamanga, EVBI Ihorombe, MVBC Boeny, EVBFi Boeny, ASCA 1 Vakinankaratra, ASCA 2 Vakinankaratra, EVRA Boeny

U 20 :

Lahy : GSVBC Atsimo Andrefana, ASI Analamanga, MVBC Matsiatra ambony, EVBI Ihorombe

Vavy : EVBA Atsinanana, Stef’Auto Atsinanana, GNVB Analamanga, BI’AS Analamanga

 

Partager sur: