Fidorohana sy fahavetavetana : zatovo lahy sy vavy miisa 60 nosamborina

Mahavita zava-doza ny fikambanan-jazamaditra ao Toamasina. Ampisotroina ranon-javatra tsy fantatra sy vetavetaina ireo zatovo vao 12 hatramin’ny 17 taona.

Tafakatra 60 ireo tanora voasambotry ny mpitandro fi-laminana momban’ny fi­kambanana zaza maditra « Gool Den Team » ao Toamasina, omaly. 12 hatramin’ny 17 taona ny ankamaroan’izy ireo. « Henjana sy mivoatra ny ditran’ny ankizy amin’izao fotoana izao. Efa ma­hatratra 20 ny ankizy maditra nai­ditra am-ponja eto Toama­sina », hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria, faritra Atsinanana, ny Kly Ranai­voarisoa Théodule. Ankizy tsy ampy taona avokoa no voasambotra tao amin’ny trano fisotroana atao hoe « Polistone » ao Tana­ma­koa. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, manodidina amin’ny 4 ora tolakandro no mameno io trano fisotroana miafina io ny zatovo, mahatratra 100 mahery.

Nosamborina ny tompon-trano
Notanan’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray, tompon’ ny trano fisotroana, izay nisamborana ny zazamaditra. « Ranon-javatra tsy fantatra ity amidiny omeny ny mpianatra ity. Tsy vitan’ io, hamarotany zava-mahadomelina ny ankizy. Mpianatra avy amin’ny sekoly maro ao an-toerana izy ireo.” hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena. Ho fi­tsinjovana ny fianaran’izy ireo, nalain’ny zandary ny mombamomba ny mpianatra. Nanarina tao amin’ny vondron-tobim-pileo­vana izy ireo. Nampodiana kosa taorian’izay.
Manaraka ny fanadihadiana lalina atao azy kosa ilay raim-pianakaviana, tompon’ny trano fidorohana. Hotiliana manokana io ranon-javatra tsy fantatra io hanamarinana ny tena zava-misy ma­rina ao anatiny.
Tsy mahafantatra

Anisan’ny lasibatra ny ray aman-drenin’ireo ankizy, izay milaza fa tsy mahafantatra ny ditran-janany. Olona miasa sy sahirana mitady ka miala ny trano maraina, tsy miverina raha tsy hariva. Mihevitra an-janany ho mianatra ny ankamaroan’ny ray aman-dreny nanaovana fanadihadiana, tao Toamasina. Ho an’i Jeannine Befrouack, isan’ireo ray aman-dreny, dia milaza fa hanao famerenan-desona any amin’ireo namany ny zanany. “Manaraka ny oran’ny firavana an-dakilasy hatrany ny fahatongavany ao an-trano ka entim-patokisana ny zanako aho”, hoy izy. “Very tanteraka ny tena”, hoy ity renim-pianakaviana ity. Olana koa, ny fanomezana efitrano manokana ho an’ny tovovavy ho azy. “Tsy fantatra intsony ny ataon’ilay zaza ao. Manampy trotraka ny harerahan’ny ray aman-dreny”, araka ny fanamafisany.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: