Tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fahasalaman’ny saina. Lohahevitra tsy resahana matetika nefa mahakasika olona maro eto amintsika ny fikorontanan’ny saina, ny fahakivian-tsaina tanteraka (dépression) ary ny rarin-tsaina (stress), hoy ny psychologue sady mpanolontsaina teknika momba ny fahasalaman’ny saina eo anivon’ny ONG Humanité £ Inclusion (HI), Rakotondrazanany Stacy, rehefa nivahiny tao anatin’ny fandaharana Ligne droite. Hozaraina ho an’ny mpihaino anio amin’ny onjam-peo Alliance 92 ny famelabelaran-keviny momba ny fahasalaman’ny saina.
*Taratra : Ny andraikitry ny HI manoloana ny fahasalaman’ny saina?
-Rakotondrazanany Stacy : Amin’izao fotoana izao, mamolavola ny politikam-pirenena misy paikady momba ny fahasalaman’ny saina sy ny aretina androbe ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS ary manohana ny HI. Misy koa ny tetikasa Hifali, manana sampana telo. Tohana ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamana, fanampiana ny mpisehatra rehetra (fanabeazana, fonja, finoana…) ary ny fitsirihana mialoha ny fahaketrahana ara-tsaina. Zava-dehibe koa ny fampianarana ny olona hikarakara ny fahasalaman’ny sainy dieny mbola zaza.Tanjonay ny hitondra teny ho laharampahamehana ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara.
*Inona ny fahasalaman’ny saina ?
-Mifototra amin’ny zavatra telo ny fahasalaman’ny saina fa tsy mianona fotsiny amin’ny tsy fisian’ny aretina mahazo azy. Eo ny fahasalamana ara-tsaina miabo, ahafahana miaina miaraka amin’ny aretina na olana iray, ny fahaketrahana ara-tsaina ary ny fikorontanan-tsaina. Rehefa mikorontan-tsaina ny olona iray, misy ny olana eo amin’ny fisainana, fihetseham-po ary ny fanehoana io fihetseham-po io amin’ny fihetsika. Ny fahasalaman’ny saina dia fahafahana miatrika sy fahatsapana fahasambarana anaty, ahafahany manatanteraka ny andraikiny isan’andro.
*Antony mitarika ny fikorontanan-tsaina ?
- Betsaka ny antony fa santionany ny hoe mety efa tarazo avy any am-bohoka ilay faharefoana ara-tsaina ka misy akony amin’ny fiainan’ilay olona izany rehefa lehibe. Eo koa ny tontolo manodidina sy iainany. Ohatra, ny fisedrana herisetra samihafa izay mamparefo ny fahasalaman’ny sainy. Eto amintsika, tena mahazo vahana ny fahakivian-tsaina tanteraka satria tsy misy mahafehy ny zavatra tokony ho atao manoloana ny olona iray niharan’ny rarin-tsaina ny eo anivon’ny fianakaviana. Ny tolotra rahateo koa tsy ampy ary tsy fantatry ny besinimaro. Ny fahakivian-tsaina tanteraka no fisehoana mateti-pitranga amin’izao fotoana izao amin’ny fikorontanan-tsaina eto amintsika.
*Manao ahoana ny zava-misy eto amintsika momba ny olona mikorontan-tsaina?
-Tsy manana antontanisa mazava isika eto Madagasikara momba izay satria tsy laharam-pahamehana amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fahasalaman’ny saina. Misongadina kosa fa mahazo vahana ny famonoan-tena nanomboka ny volana febroary no ho mankaty ary ireo tanora no tena manao izany. Mampiseho io toe-javatra io fa mila jerena akaiky ny fahasalaman’ny saina. Eto amintsika, roa ihany ny hopitaly misahana ny fahasalaman’ny saina : eny amin’ny CHU Anjanamasina sy CHU Androva. Tsy ampy koa ny mpiasa mikarakara ny fahasalaman’ny saina ary matetika mivangongo an-tanàn-dehibe.
Maneran-tany, 75%-n’ny olona mikorontan-tsaina no tsy afaka misitraka fandraisana an-tanana. 800 000 isan-taona ny olona mamono tena, araka ny tatitry ny OMS.
*Azo sorohina ve ny fikorontanan-tsaina?
-Azo sorohina tsara rehefa mahazo tohana avy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ilay olona. Ny rarin-tsaina hita amin’ny fihetsika sy fisehoana ivelany ka tokony hanaitra ny manodidina. Tsy mahita tory, tsy mifantoka amin’izay atao rehetra, tsemboka be manoloana ny zava-miseho iray… no fisehony. Ilaina ny miresaka amin’ilay olona raha miseho ny fambara iray amin’ireo. Tsy fahalemena fa voajanahary ny fampisehoana fihetseham-po mifandraika amin’ny rarin-tsaina. Tsara ny manomboka ny tontolo andro amin’ny zavatra mampifaly. Zava-dehibe koa ny fialamboly, ny sakafo ara-pahasalamana ary ny torimaso ora valo isan’andro. Manampy ireo ny fiarahana amin’ny fianakaviana.
Vonjy A.