Fampisehoana alatsinain’ny Paska: nahaliana ny mpankafy ny gadon’ny tanora

Anisan’ny manamarika ny alatsinain’ny paska ny fampisehoana an-tsehatra ataon’ny mpanakanto. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fironan’ny mpankafy ny mpanakanto mivoy ny gadona tanora.

Nisongadina ireo fampisehoana nivoy sy nampandray anjara ny mpanakanto mivoy ny gadona ankafizin’ny tanora, ankehitriny, teto andrenivohitra. Izy ireny no nahaliana sy nahazo olona. Na izany aza, niray feo ny mpikarakara fampisehoana fa: “Nihena ny mpijery fampisehoana raha oharina tamin’ny hatramin’izay”. Niezaka hatrany kosa ny mpikarakara sy ny mpanakanto mpandray anjara nanome fahafaham-po ny mpankafy sy mpanatrika.
Maro samihafa ny seho teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Anisan’ izany ny tao amin’ny Coli­seum Antsonjombe sy tao Antsahamanitra. Toy izany ny teny Ivato ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo, Ala­sora, Itaosy, Bevalala sy ny faritra samihafa.

Anisan’ny fampisehoana be mpijery ny tarika Wada sy Youngs, Mr Sayda, Agrad, Big Mj. Mazava ho azy fa ny tanora no maro tamin’ny mpijery. “Tia mifety ny olona saingy voafetran’ny zava-misy iainany ankehitriny.” hoy ny mpikarakara fampisehoana.
Teny amin’ny toerana fitsangatsanganana sy filalaovana no nahitana ny olon-dehibe sy ankizy maro. Anisan’izany ny teny amin’ny Valanjava-boahary Tsimbazaza, ny teny amin’ny Zaridainan’ Ambohi­jatovo ary ny teny amin’ny Akoor milalao, Andohata­penaka. “Efa tena sarotra ilay fiainana ka tsy manao fetibe intsony fa mialakely amin’ny mahazatra fotsiny” hoy i Andry, raim-pianakaviana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: