Fitsangatsanganana Masina : nanovozan-kery ny « Chorale show »

Ny Koraïta avy ao amin’ny FJKM Manarintsoa Finoana, sy ny Jaws Band ary ny Chorale Feon’ny Fitiavana (Acut Ambohipo, Ankatso). Samy andrarezin’ny hira fiantsana ny hira evanjelika. Nafana ny teny an-tsehatra, satria, saika niompana tamin’ny Paska na ilay fotoana nandresen’i Kristy ny fahafatesana, ny hira nanakoako teny an-tsehatra. Na izany aza, nisy ihany koa ireo hira anisan’ny nahafantarana ireto antoko mpihira sy tarika ireto.
Ho an’ireo tonga teny an-toerana indray, nanovozan-kery ho an’ny vatana sy ny fanahy ity «Fitsangatsan­ganana Masina» notontosaina, omaly, tao Antsaha­manitra ity. Nisy tamin’ireo hira rahateo no narahin’ny mpijery. Notanterahin’izy ireo tao anatin’ny hafanam-po izany. Tranga naneho fa manako any amin’izy ireo ny tolotra avy eny an-tsehatra. Na tsy hipoka tanteraka aza Antsahamanitra, taratra tamin’ireo mpijery io hery sy aina vao io, hany ka nitafy ny endriky ny olom-baovao vonona ny hiatrika ny ampitso izy ireo.
Tsapa teny Antsahama­nitra koa ny fananan’ireto tarika ireto traikefa matanjaka amin’ny fanehoana sy fampitana hafatra. Na teo amin’ny famoahana ny ambaran’ny tononkira izany, na tamin’ny fandrindrana ny hira sy ny zavamaneno ary ny feo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: