Na tazana etsy sy eroa aza ny lanonana isan-karazany. Misy ny efa zatra mitsangatsangana. Efa zary kolontsain’ ny Malagasy isaky ny Alatsinain’ny Paska ny miala voly eny amin’ireo toerana heverina fa tsy handehanana matetika. Anisan’izany Analakely, raha ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Fitsangatsanganana tsotra, tsy handaniam-bola be loatra ho an’ny fianakaviana. Omena lanja bebe kokoa ny ankizy ho an’ity karazana fialana voly iray ity. Ao anatin’ny fialantsasatra rahateo izy ireo.
Tsy vitsy amin’ireo fianakaviana monina ivelan’ny Renivohitra mantsy no manana zanaka tsy mandeha matetika eny an-dRenivohitra. Fampitomboam-pahalalana ho azy ireny ny fitsangatsanganana. Tazana teny Analakely, ohatra, ireo ray aman-dreny manoro ireo toerana manan-tantara, toy ny Garan’i Soarano, Lapan’ny Tanàna, tohatohabaton’Antaninarenina sy Ambondrona, sns. Sady tsy mandany be no hahaizan-javatra !
HaRy Razafindrakoto