400 000 eo ho eo ireo olona efa nisitraka mivantana ny hetsika « fitsaboana manakaiky vahoaka », nialoha ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo, ny herinandro lasa teo. Nisy varavarana misokatra sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana nandritra ny telo andro, teo anivon’ny CHRR Itasy, Miarinarivo ho fitsinjovana ny vahoaka sahirana tsy afaka manatona tobim-pahasalamana.
Eo ihany koa ny “caravane médicale” vokatry ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny fikambanana Fitia sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Nampiavaka izao hetsika izao ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ny fandidiana ireo zaza misy “hernie” sy vaky lanilany. «Fahasalamana ho an’ny rehetra» ny lohahevitra ho an’ity taona ity. Ankoatra ny fandidiana, notolorana kidoro sy farafara anjatony koa ireo tobim-pahasalamana fototra CSB any an-toerana.
Misarika vahoaka be hatrany ny tolotra ara-pahasalamana tahaka izao, indrindra ireo tsy manana ny hoenti-manana na lavitra toeram-pitsaboana. Nankalazaina tamin’ity andro anio ity ihany koa ny faha-75 taonan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fahasalamana (OMS).
Vonjy A.