CEe : Malagasy 4 mirahavavy hanaraka fiofanana

Voafidy hanaraka ny fiofanana Community Engage­ment Exchange (CEE) i Jo­han­na Ravomanana, Ny Andraina Andriamanantena ary Sedra Rakotovao. Voafidy ho mpanoro lalana CEE Spe­cialist Mentor kosa Rafi­toson Ketakandriana.

Taorian’ny fiofanana am­pitain-davitra naharitra telo volana, hihazo an’i Etazonia ireto Malagasy mpitarika ireto. Handray anjara amina hetsika sy tetikasa momba ny fiarahamonim-pirenena eny anivon’ireo fikambanana tsy miankina sy ireo mpandraharaham-panjakana amerikanina samihafa no anton’ny dia.

Fandaharanasa iray vatsian’ny governemanta amerikanina vola ny CEE. Maharitra herintaona ary natao ho an’ireo mpikatroka eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpitari-dalana, 21 hatramin’ny 28 taona avy amina firenena maherin’ny 100, izany.

Miasa amin’ny sehatrasa 5 (Civic dialogue and Peace Building, Open and Partici­patory vernment, Women and Gender Issues, Resilience and Sustainable Development, Youth Engagement) izy ireo.

Ity fandaharanasa iray ity dia natao hanomezana fahafahana ho an’ireo tanora mpitarika mandrafitra sy miditra anaty tambajotra izay hahafahany mametraka fiaraha-miasa maharitra.

Tatiana A

Partager sur: