Cua – Fanatsarana ny tsena: halamina ny toby fiantsonana Imerin­tsia­tosika sy ny tsenan’ny tantsaha

Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’i Soamanatombo sy Voninkazo Anosy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Nolazainy tamin’izany fa hasiana lamina manokana ny toby fiantsonana Imerintsiatosika sy ny tsenan’ny tantsaha eny an-toerana.

Nijery ny zava-nisy teny amin’ny tsenan’ny Vo­ninkazo Anosy sy ny tsenan’i Soamanatombo ny ben’ny Tanànan’Antananari­vo Renivohitra, Andriantsi­tohaina Naina, omaly. Ha­siana fandaminana eny amin’ ireo toerana ireo, nandritra ny fihaonana teo aminy sy ny mpivarotra. Tanjona ny hanadiovana sy ny hanatsarana ny faritry ny tsena. Ho an’ny eny amin’ny tsenan’ny Vonin­kazo, hisy ny lamina eo
amin’ny toby fiantsonan’ny fiara mankany Imerintsia­tosika, fandaminana ny «parking» mibahan-dalana ary ny fandaminana ny tsenan’ny tantsaha.
«Hatsaraina manokana ny tsenan’ny tantsaha, hatao hatramin’ny 8 ora maraina ihany izany», hoy ny filohan’ny fikambanana Voara ‘Vo­nin­kazo Aranty sy Ravak’An­tananarivo), Andrianoelina Janvier. Nilaza izy fa miteraka loto eny an-toerana sy mibahana ny “parking” ny tsy fanajana ny fe-potoana hivarotan’ny tantsaha.
Tsena Soamanatombo
Asiana polisy monisipaly sy jiro manodidina ihany koa ny tsena eny Soamanatombo, izay hetahetan’ny mpivarotra efa ela. Mba hiarovana amin’ ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana. “Mitaky ny hisian’ny parking sy ny rano ho an’ny mpivarotra manokana izahay”, hoy ny filo­han’ ny fikambanan’ny mpivarotra ao Soamanatombo, i Mar­gueritte. Nilaza izy fa tsy mbola nisitraka izany ny mpivarotra 535 mpikambana eo anivon’ny tsena. Mety hamono ny tsena ihany koa ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana, raha ny nambarany. Marihina fa efa nanao vavahady sy fanadiovana ary jiro ireo fikambanan’ny mpivarotra talohan’izao. Niala tamin’ny volan’ireo mpivarotra ihany ny nanaovana izany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: