Misy tetikasa « Nouveau modèle de financement 3 » (NMF), ny ady amin’ny VIH/ Sida eny anivon’ny mpivarotena. Miasa eto Antananarivo Renivohitra izy ireo ary manana “Drop in center” (Dic) Meva ao Tsaralalàna. Toerana ahafahana mifanakalo hevitra sy mifampitaiza ary ahazoana fizaham-pahasalamana ny Dic satria misy mpitsabo ao. Manana mpiara-miasa mpanentana ara-pahasalamana ireo mpivarotena. Maimaimpoana avokoa ny tolotra ary ahitana akora maro ihany koa toy ny fimailo ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy, fanaovana fitiliana (autotest) ny Dic Meva.
Mivondrona ireo mpivarotena ary mifanampy hampaharitra ny asan’ny ivontoerana ka manao asa samihafa. Santionany ny “opération goûter” hividianana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro: vary, menaka, savony… ary azo aloa tsikelikely ny vola. Nanapa-kevitra ny mpikambana fa hivarotra PPN hanampiana ireo olona tsy manam-bola. Manao fikojana endrika koa ny mpikambana, hitondra fifaliana ho an’ny tsirairay.
Vonjy