Fandriampahalemana: nikaondoha ireo minisitra misahana ny fandriampahalemana

Miara-mientana hatrany ny mpitandro filaminana (Tafika, zandarimariam-pirenena, polisim-pirenena) amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra, indrindra amin’izao ankatoky ny fotoam-pifidianana izao…

Nivory teny amin’ny mi­nisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena, afakomaly, ireo minisitra telo eo anivon’ny governemanta misahana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana, nahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rako­toarijaona Josoa, ny mi­nisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de police Randrianarison Fano­me­zantsoa, ny Sekrete­ram-panjakana miadidy ny zandarimaria eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Serge Gellé. Nanatrika izany koa ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ny Tafi­ka, ny Jly Sahivelo Monja Delphin sy ny kaomandin’ny zandarimari­am-pirenena, ny Jly Andry Rakotondrazaka ary ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police Rakotozanany Dany Marius. Voadinika nandritra izany ny fanamafisana ireo ezaka efa natao amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Eo koa ny fandrindrana ireo hetsika ataon’ny herim-piarovana sy fandriampahalemana na FDS eny an-kianja mba hanatrarana ireo tanjona napetraka. Ana­tin’izany ny fampitoviana ny tadin-dokanga hahafahana mahita vokatra tsara hatrany sy ho fanehoana ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpitandro filaminana. Nohamafi­sin’ny MDN fa ny FDS ahitana ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena dia natao hampandry fahalemana, indrindra amin’izao taom-pifidianana izao. « Misy ny fifanomezan-tanana ataon’ireo vondron-kery telo tonta. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarahana misalahy sy ny fifanomezan-tanana ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany », hoy izy. Nohama­fisiny fa efa misy koa ireo paikady napetraka manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana ankehitriny. Nambarany fa efa miparitaka manerana ny Nosy ireo vondron-kery telo ireo hanatanteraka izany, ha­hafahan’ny vahoaka malagasy rehetra miaina anaty filaminana sy fandriampahalemana.

Jean Claude

Partager sur: