Nahazo efitranon-tsekoly misy trano fianarana efatra ny EPP Antavolo, EPP Amboangisay, EPP Vohitsivalana ary ny EPP Ambohimaragna ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Ikongo. Nanaovana ny lanonana fandraisana ny fotodrafitrasa ny EPP Antavolo ary tonga nitokana izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, niaraka tamin’ ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka, ny Organisation internationale du travail (OIT) miasa sy monina eto Madagasikara, Coffi Agossou, sy ny solontenan’ny Royaume du Norvège. Vokatry ny fiaraha- miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny OIT ary ny Royaume du Norvège ireo fotodrafitrasa ireo. Efa hanorenana sekoly manara-penitra ihany koa ao Ikongo ka ny iray efa an-dalam-pahavitana ary ny efatra haorina tsy ho ela.
Taorian’izay, nizara taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra 124, tafiditra tamin’ny andiany fahasivy amin’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, ny tomponandraikitra.
Vonjy