Management au projet innovant -Iscam : fampiofanana ampitain-davitra ho an’ny mpiasa

Namolavola fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana «Master II» ho an’ireo olona efa manana ny diplaoma «Licence» ny sekoly ambony Iscam nanomboka ny taona 2022. Maharitra herintaona ny fiofanana momba ny fitantanana, fomba itondrana ny orinasa na koa fanokafana fihariana vaovao (Management au projet innovant-Mapi)… «Na­tokana ho an’ny olona efa manana traikefa amin’ny sehatry ny asa (efa-taona no ho mihoatra) ny fiofanana ampitain-davitra ary olona manam-pahaizana avy ao amin’ny Iscam sy avy amin’ny Universite Senghor any Ale­xandrie no mpampiofana», hoy ny fanazavan’ny Dire­c­teur académique ao amin’ny Iscam, Ramanoara Lucy, teny Anosy. Mpampianatra, tomponandraikitra ambony amin’ ny orinasa, mpiasa tena… ireo liana ka nisoratra anarana nanaraka ny fandaharanasa tao anatin’ny 12 volana. Tan­jona ny hanatsarana ny tetikasa efa ananany na koa kasainy hotanterahina eo amin’ny sehatrasa misy azy avy tsirairay ary zava-dehibe ny fahaiza-mamorona. Raha te hahazo vokatra miavaka amin’ny toekarena sy sosialy, mila mahay miaina ao anatin’ny zava-misy manodidina (valanaretina, krizy…) ny mpandraharaha ka hanampy azy ireo ny fiofanana nomena, araka ny nambaran’ny tale mpanatanteraka lefitra, Rabeharison Asminà.
Mpiofana malagasy sy vahiny izy 14 mianadahy ary samy nanana tetikasa narahana fanohanan-kevitra ho famaranana ny fandaharanasa ka nisitrahana ny diplaoma iraisam-pirenena “Master II”. Andiany voalohany izao fa hitohy ny fandaharanasa ka hisokatra amin’ny volana mey ny fandraisana ny andiany manaraka.

Vonjy A.

Partager sur: