Tazomoka : distrika 5 hamendrahana odimoka

«Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka : milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasà». Lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka, ny 25 avrily ho avy izao.
Nanazava ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ramandimbiarijaona Herizo, fa hiompana amin’ny famendrahana odimoka amin’ireo distrika 5 mbola ahitana ny tazomoka ny hetsika.
Anisan’izany ny distrikan’ Isandra, Ivohibe, Iakora, Tao­lagnaro ary Ankazoabo. Hi­tety trano ireo tompon’andraikitra handraraka ny fanafody. Tsy azo andrarahana fanafody kosa ny tsena fivarotana sy ny sompitra fitehirizam-bokatra. Iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, USAID PMI, ny fanatanterahana izany.
Manaraka ny fenitra fiarovana ny tontolo iainana ny fanafody ampiasaina. Efa voamarin’ny OMS rahateo izany. Karazam-panafody 3 no ampiasaina mba ialana amin’ny fahazaran’ny moka.
Hisy koa ny paikady fanampiny dia ny fanondrahana fanafody eny an-tanimbary amin’ny alalan’ny drone ho an’ny distrikan’Ankazobe sy Morombe. Andrana natao tao anatin’ny herintaona ka an­drasana ny vokatra ankehi­triny.
Hisy ny fanentanana ny olona amin’ny fanalana ny lobolobo sy ny fieren’ny moka. Anentanana ny vaomieran’ny fahasalamana sy ny lehiben’ny fokontany ny fanatanterahana izany.

Tatiana A

Partager sur: