Fahasalamam-bahoaka : distrika sivy hahazo “scanner”

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny ala-robia lasa teo, ny fanam­boa­rana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Hisy ampahany halefa amin’ny fampitaovana ireo «scanners» sivy homena an’i Maroantsetra, Mandri­tsara, Fenoarivo Atsinanana, Morondava, Taolagnaro, Nosy-Be, Manakara, Sam­bava ary Ambatondrazaka.

Hisy koa ampaham-bola hatokana amin’ny fanamboarana sy fiarovana ireo toe­rana hametrahana “scanners” any Fenoarivo Atsinanana, Taolagnaro, Nosy Be, Sam­bava ary Ambatondrazaka.

Ho an’ireo faritra tsy ma­nana toerana handraisana ireo scanners ireo kosa ny hopitaly ao an- toerana, hisy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao. Ao Morondava sy Mandritsara,ohatra, efa misy trano fa tsy maintsy hasiam- panavaozana ahafahana mandray ny fitaovana.

Ho an’ny ambiny, mila hampi­dirana jiro sy hasiana fi­taovana ara-informatika sy kojakoja ilaina amin’ny birao, hahafahana mampihodina ny toerana handraisana ireo marary mila fitiliana amin’ny alalan’ny “scanners”. Tsy voatery handeha amin’ny tanàn-dehibe in­tsony ny vahoaka rehefa mila fitarafana.
Asiana fitaovana ny CSB 100
Nankatoavin’ny filan-ke­vi­try ny minisitra koa ny fa­nam­boarana ny teti-bola anatin’ ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka hanokanana ampaham-bola halefa amin’ ny fividianana fitaovana ara-pitsaboana sy kojakoja ilaina amin’ny birao. Ho an’ireo CSB miisa 100 efa vita fa­nam­boarana nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty izy io.

Vonjy

Partager sur: