Natao ny alarobia teo ny sonia fifanarahana amin’ny maha mpirahavavy ny kaominina Andoharanofotsy tarihin’ny ben’ny Tanàna Rakotoarimanana Henintsoa, sy ny kaominina Linden any Nex Jersey, tarihin’ny ben’ny Tanàna Derek Armstead.
Tamin’ny 16 marsa lasa teo no nankatoavin’ny ben’ ny Tanàna roa tonta io fiaraha-miasa iraisam-pirenena io. Hanomboka tsy ho ela ny asa iombonan’izy ireo.
Marolafy ny fitovian’ny kaominina Linden sy Andoharanofotsy. Anisan’izany ny isan’ny mponina sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao ka manamafy ny fifandraisana ofisialy eo amin’ny roa tonta amin’ny maha-kaominina mpiraharavavy azy.
Nanotrona ny fifanaovan-tsonia ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Tobias Glucksman.
Mikendry ny hampiroborobo ny fizahantany sy ny zavakanto ary ny fanabeazana eo amin’ny kaominina roa tonta ny fifanarahana natao. Hojerena ny fiaraha-miasa azo hatao, handefasana mpianatra avy ao amin’ny kaominina sy firenena ankilany hianatra any amin’ny kaominina sy firenena andaniny.
Tatiana A