Kaominina Ivato: miandrandra fotodrafitrasa ny mponina

Nitondra teny fampirisihana ny fitondram-panja­kana, omaly, ny ben’ny Ta­nànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy, ny hanatanterahana ireo asa efa nampanante­naina ary andrasan’ny va­hoaka fatratra dia ny fami­tana ny tranon’ny kaominina izay efa tranainy. Eo koa ny CEG izay efa nanaovan’ny filoham-pirenena fanamby.
Tsy tokony hoketrahina ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka fampandrosoana ataony fa mila omena hery aza hahafahany mamita ireny vina ireny, hoy ny talen’ ny CEG izay miandry fatratra ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ao an-toerana.
Efitranon-tsekoly 11 no ifandimbiasan’ny mpianatra maherin’ny 800. Efa tena antitra ny fotodrafitrasa ary tandindonin-doza mihitsy ny mpianatra amin’ny efitra sasany. Misy ireo rairain-drihana efa tena atahorana hirodana raha misy rivotra mafimafy, hoy ny talen’ny CEG.
Etsy andaniny, miezaka amin’ny fanamboarana ireo lalana simba ao an-tanàna ny kaominina. Tetibolan’ny kaominina madiodio no ha­natanterahina izany. Nijery ifotony ny fanamboaran-dalana amin’ireo toerana tena ahitana ny faharavana ny ben’ny Tanàna sy ny teknisianina, omaly. Tsy maintsy hovitaina avokoa ireny.

Tatiana A

Partager sur: