Olam-piainana, rarintsaina… : 15 ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana

Manodidina ny 15 ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana, araka ny tatitra navoakan’ny Observatoire de la jeunesse. Antony, ny tsy fahazakana olana, rarintsaina diso tafa­hoatra, tsy fahitana asa….

«Efa manambana ny tanora ankehitriny ny fahaketrahana ara-tsaina ka mahatonga ny famonoan-tena”, io ny nambaran’ny Observatoire de la jeunesse, omaly, tetsy Ambatona­kanga. 15 ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana, araka ny tatitra nataon’izy ireo. Tovovavy ny enina ary valo ny tovolahy amin’izy ireo. Manodidina ny 18, 21 ary 23 taona ny ankamaroany. Hita eto amin’ny faritra Anala­manga,Vakinankaratra, Amo­ron’i Mania ary Analanji­rofo.

« Antony mahatonga ny famonoan-tena ny tsy fahazakana ireo karazan’olana misy eo aminy: toy ny olana ara-pitiavana sy eny anivon’ ny fiarahamonina ary ny rarintsaina diso tafahoatra », hoy ny Psychologue général, Razakamanana Andry. Tsy milamina ny fiainana ara-piarahamonina ka mahatonga ny famonoan-tena. “Mifan­garo ao koa ny fahasarotam-piainana toy ny fitadiavana asa, tsy fahampiam-bola…», hoy izy. Tsy te haheno fangirifiriana vokatry ny olana sedrainy sy ny rarintsaina diso tafahoatra mahazo azy ireo ihany koa ny tanora. No­hamafisiny fa afaka mandamina sy mandrindra ny rarintsaina mahazo azy avokoa ny olon-drehetra ka tsy tokony hiafara amin’izany.
Vehivavy iray saika hanindrona antsy ny tenany…

“Mila mahay mijery ny lafitsaran’ny fiainana, fandinihana ny hoavy ary mivavaka ny tanora iray raha tsy te ho tonga amin’ny famonoan-tena”, hoy ny vehivavy iray nijoro vavolombelona teny an-toerana. Nilaza izy fa efa teo andalam-pamonoan-tena no nijanona. Nisaraka tamin’ny olon-tiany izy ary nanomboka nitoka-monina taorian’izay. “Tsy nifandray tamin’ny namana sy ny ray aman-dreny nanomboka teo ary matetika nihidy aman-trano. Efa nandray antsy aho ary saika hanindrona ny tenako. Fa nandinika sy ni­vavaka ary natahotra ny faha­verezana ihany koa ny antony nampihemotra ahy », hoy izy.
Tena mijaly ny olona miaina miaraka amin’ny rarintsaina fa anjaran’ny tanora tsirairay no miezaka miala amin’izany, araka ny fanamafisany.
Mangataka ny hamelomana indray ny ivontoeram-pihainoana ho an’ny tanora ny Observatoire de la jeunesse nandritra izany. Mangataka ny fanampian’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny mpitandro filaminana mba hamaha ireo olana rehetra mitarika amin’ny fahaketrahana ara-tsaina.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: