Alternatives Madagascar: hamoraina ny adisisika fiarovana ny zon’olombelona

Hamoraina ny adisisika ataon’ny fiarahamonim-pirenena eny anivon’ny fitondram-panjakana sy eny anivon’ ireo vondrom-bahoaka ary ireo manam-pahefana. Mba handraisana andraikitra amin’ ny fiarovana ny zon’olombelona, raha ny nambaran’ny Alternatives Madagascar. Nikarakara fiofanana mikasika ny “Advocacy Leadership Institute” (ALI), tetsy Antani­narenina, izy ireo. Niarahana tamin’ireo fiarahamonim-pirenena misehatra ao anatin’ny fiarovana ny zon’olombelona. Naharitra efatra andro ny fiofanana ary nifarana ,omaly. Tanjona ny hampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo fiarahamonim-pirenena eto amin’ny Nosy sy hanamorana ny adisisika. Mba hitandroana ny fandriampahalemana, ny filaminana ary ny fiheverana ny zon’olombelona tsirairay.
Betsaka ny trangam-piarahamonina miharo herisetra miseho eny anivon’ny fiarahamonina. Toy ny fanolanana mahazo ny ankizy, ny herisetra mahazo ny vehivavy… “Tsy mahafantatra ny tsy fanajana ny zon’ny olombelona ny ankamaroan’ny olom-pirenena tsirairay noho ny tsy fahampian’ny vaovao mikasika izany”, hoy ny tale mpanatanteraky ny Alternative Ma­dagascar, Mathieu Narendra. Nilaza izy fa tsy mora ny manao adisisika eny anivon’ny fanjakana amin’ny fanaovana tatitra mikasika izany. Nohamafisiny fa tokony hampahafantarina ny dingana tokony harahin’izy ireo eny amin’ireny biraom-panjakana samihafa ireny.
Hiasa manerana ny faritra 5 eto amin’ny Nosy izy ireo: Boeny, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Menabe ary Ana­lamanga. Tsiahivina fa noresahina nandritra izany, ny fanaraha-maso sy fiarovana ny zon’olombelona eo amin’ny rafitra iraisam-pirenena, isam-paritra ary nasionaly. Teo koa ny fomba atao ho fampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny fanadinana ara-potoana maneran-tany sy ny drafitry ny tatitra ataon’ny fiarahamonim-pirenena. An­koatra izay, ny fanatsarana ny rafitra fiaraha-miasa eo amin’ izy ireo sy ny andrimpanjakana manao ny lalàna sy politika mikasika ny zon’olombelona.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: