Fiofanan’ny mpivarotra hani-masaka: hanara-maso ny fampiharana ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fizarana ny «certificat»
ho an’ireo mpivarotra hani-masaka nahavita fiofanana momba ireo paikady amin’ny fandrahoana sakafo, niarahana tamin’ny Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie (INTH). Nisy koa fiofanana momba ny vonjy taitra sy ny fisorohana tranga firehetana, niarahana tamin’ny sampana mpamonjy voina avy eo anivon’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra.
Naharitra efa-bolana ny fiofanana ary 130 ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny Zaimaika, tsena Soamana­tombo, tsena Mahamasina no nisitraka ny tetikasa novolavolain’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ara-toekarena. Namatsy vola ny AFD, amin’ny alalan’ny Fonds malgache de Formation Professionnelle (FMFP). Ni­sa­hana ny fampiofanana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa sy ny Fédération des hôteliers et restaurateurs de Mada­gascar (FHORM). Tanjon’ny tetikasa fampiofanana ireo mpivarotra hani-masaka eto an-dRenivohitra ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny traikefan’izy ireo ho tena sakafo madio sy ho ara-pahasalamana no haroso ny mpanjifa. Manampy izay ny fanatsarana ny fiveloman’izy ireo ary farany ny fiomanana sahady amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy.
Rehefa vita ny fiofanana, hidina hanara-maso ny fampiharana eny an-toeram-pivarotana indray ny kaominina An­tananarivo Renivohitra sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Tafiditra ao anatin’ny Ve­liranon’ny ben’ny Tanà­nan’ Antananarivo Renivohi­tra, An­driantsitohaina Naina «fanatsarana sy fanohanana ny mahasoa ny mponina», ny fampiofanana ny mpivarotra hani-masaka eto an-dRe­nivohitra.

Vonjy

Partager sur: