Harena an-kibon’ny tany : nasiam-panovana ny lalàna vaovao

Taorian’ny fankatoavan’ ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ ny tany (code minier), ny alarobia lasa teo, nitondra fanazavana Rakoto­malala Olivier Herin­drainy, minisitry ny Harena an-kibon’ny tany. Namba­rany nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny Ampan­dria­­nomby, omaly antoandro, fa anisan’ny nasiana fanovana anatin’ity lalàna ity ny ma­ha­kasika ny faharetan’ny fahazoan-dalana, indrindra ho an’ny mpitrandraka va­venty (Permis d’exploitation – PE). “Raha 40 taona ny faharetan’ny PE tamin’ny lalàna teo aloha, ary azo havaozina 20 taona tsy misy fetra dia nampidinina ho 25 taona azo havaozina 15 taona izany amin’ity lalàna vaovao ity”, raha ny nambarany. Niova ho « droits et taxes spéciaux pour les produits miniers » kosa ny fiantsoana ny tamberimbidy (re­devances). Raha 2% izany tamin’ilay lalàna teo aloha dia nakarina ho 5 %. Ny 1,5 % amin’izany tamberimbidy izany dia hiditra amin’ny kitapom-bolan’ ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny 3,5 % kosa hirotsaka amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana foibe alohan’ny hitsinjarana azy indray, araka ny fanazavany hatrany. Hisy ihany koa ny fametrahana ny « fond minier d’investissement social et communautaire ». Ny 3% amin’ny fampiasam-bola ataon’ny mpitrandraka no hirotsaka amin’ity « fonds mi­nier », ity. Etsy ankilany, mbola misy ny teboka maro hafa na­siam-panitsina. Tao­rian’ny fankatoavana ity lalàna ity tamin’ny filankevitry ny ministra dia atolotra ny Parlemanta ity volavolan-dalàna ity hodinihina amin’ny fivoriana manaraka eo.

Henintsoa H.

Partager sur: