“Playoff – OPL” : ho fantatra anio sy rahampitso ireo ekipa 8

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faran’ny fifaninanam-pirenena “Oran­ge Pro League” (OPL),
taranja baolina kitra. Araka izany, ho fantatra aorian’ny voka-dalao rehetra ireo ekipa valo hanao ny “Playoff 2023”.
Tsiahivina fa mbola ekipa efatra ihany hatramin’izao no efa tafita, anisan’izany ny ekipan’ny Fosa Junior FC Boeny, Cosfa Analamanga, ho an’ny Kaonferansy avaratra, raha toa ka ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elge­co Plus Analamanga ny an’ny atsimo. Ankoatra azy ireo, mbola hiady ny laharana fa­hatelo sy fahefatra isaky ny vondrona misy azy avy ireto ekipa ireto, ny AS Fanala­manga sy ny Ajesaia ary ny Uscafoot, ho an’ny vondrona avaratra; ny Mama FC sy ny Disciples FC ary ny Zanakala FC, vondrona atsimo. Mari­hina fa misy lalao mandroso sy miverina ny ampahavalon-dalan’ny “Playoff”, raha ohatr’izany ihany koa ny manasa-dalana, saingy tsy misy dingana roa ny famaranana.

Fitia (Mpianatra asa)

Fandaharan-dalao :

Kaonferansy avaratra :

Sabotsy 15/04/2023
Kianja Ambohidratrimo
2 ora 30 : Ajesaia vs TFFC
Kianja Alarobia
2 ora 30 : Uscafoot vs As Fanala­manga

Alahady 16/04/2023
Kianja Rabemananjara
2 ora 30 : Fosa Junior vs Tia
Kitra FC
Kianja Antsiranana
2 ora 30 : Asa Diana vs Cosfa

Kaonferansy atsimo :

Sabotsy 15/04/2023
Kianja Elgeco Plus
2 ora 30 : CFFA vs Jet Kintana FC
Alahady 16/04/2023
Kianja Manakara
2 ora sasany : Dato FC vs Disciples FC
Kianja Elgeco Plus
2 ora 30 : Elgeco Plus vs 3FB Toliara
Kianja Fianarantsoa
2 ora 30 : Zanakala FC vs Mama
FC

Partager sur: