10 mianadahy indray ireo tanora malagasy mpitarika voafantina amin’ny andiany faha-21 amin’ny programa “YALI Regional Leadership Center Southern Africa” (RLCs). Nihaona tao amin’ny masoivoho amerikanina izy ireo, omaly, ary nandray ny torolalana momba ny fiofanana izay hatrehiny.
Niofana nandritra ny 3 herinandro amin’ny alalan’ny fampianarana ampitain-davitra izy 10 mianadahy ireo. Hizotra any Midrand, Afrika Atsimo indray hanaraka fiofanana haharitra telo herinandro manomboka izao.
Hiompana amin’ny asa fitarihana eny anivon’ny fiarahamonina sy fitantanan-draharaham-panjakana ary fandraharahana ny fiofanana horantoviny amin’izany..
Nanomboka tamin’ny taona 2015 ny “YALI Regional Leadership Centers” (RLCs) atao any Ghana, Senegal, Kenya, sy Afrika Atsimo. Sehatra hifanakalozan’ny tanora aty Afrika atsimon’i Sahara. Traikefa sy soa fanararaotra ary hanarahany fiofanana momba ny fahaiza-mitarika ity fandaharanasa amerikanina ity.
Ny USAID no mamatsy vola sady mandrindra ny programa RLCs miaraka amin’ny MasterCard Foundation sy mpiara-miasa hafa avy amin’ny sehatra tsy miankina.
Rehefa tafaverina eto Madagasikara ireto tanora malagasy ireto dia hanatevin-daharana ny fianakaviamben’ireo maintimolalin’ny programa YALI ary hanohy ny fifanakalozana traikefa sy fiofanana ary fandaharanasa maro hafa.
Tatiana A