Fararanon-danonana ho an’ny fanabeazam-pirenena ny tao Matsiatra Ambony. Fotodrafitrasa maro no notokanana. Samy nahazo ny anjarany na ny mpampianatra na ny mpianatra.
Nitety Cisco maromaro ny hetsika amin’ny seha-panabeazana tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ny faran’ny herinandro teo, izay natrehin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.
Tao amin’ny Cisco Ambalavao, notokanana ny sekoly manara-penitra. Niorina tamin’ny taona 1988 ny sekoly ka namboarina tanteraka ho sahaza ny mpianatra. Notolorana bisikileta 181 ihany koa ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika tao amin’ity sekoly ity.
Tetsy andaniny, nomarihina ny faha-35 taonan’ny Lycée Joël Sylvain. Nifanindran-dalana tamin’ireo ny fitokanana ny EPP manara-penitra Iaritsena, misy efitrano fianarana 2.
Nanantitrantitra ny minisitra fa “Ny fianarana no lova tsara indrindra ka tokony hazoto sy hilofo hatrany fa io ihany ny lalana mitondra mankany amin’ny fampandrosoana.”
Nitohy tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Vohibato ny fitsidihana ka nitokanana ny sekoly avy amin’ny tetikasa “Projet d’Appui à l’Education de Base (PAEB). Nozaraina tamin’izany ny taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ny mpampianatra 98. Tafiditra amin’ny andiany fahasivy amin’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana izany.
Miisa 566 ny mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 7 mandrafitra ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony.
Efa 31.500 ny mpampianatra tafiditra ho mpiasam-panjakana manerana ny Nosy amin’ ity andiany fahasivy ity, raha ny filazan’ny minisitra hatrany.
Ankilany nozaraina kapa sy aronakanjo ihany koa ireo mpianatra tao Vohibato.
Ho an’ny Cisco Fianarantsoa, nisy ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.
Tatiana A