Ny takaitra navelan’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, ny dona vokatry ny adin’i Ukraine sy i Rosia, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro… Ireo no tsy maintsy hatrehina sy zakain’izao tontolo izao ankehitriny. Ady fiady… Mandra-pahoviana? Tsy misy afa-bela na ireo firenena heverina ho mandroso sy matanjaka aza. Anisan’ny miharihary tsy takona afenina vokatr’ireo karazan-doza ireo, ohatra, ny fidangan’ny vidim-piainana saika maneran-tany amin’izao fotoana izao.
Namela takaitra ny fihibohana niadiana tamin’ny covid-19, nampitontongana ny varotra ny ady any Ukraine, nampitambotsotra ny vokatra ny fiovaovan’ny toetr’andro… Izay no mahatonga ny fiakaran’ny vidin’entana sy ny vidim-piainana ankapobeny maneran-tany? Tsy vitan’izany, ahina mafy ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny firenena maro an-dalam-pandrosoana na mahantra. Eny, hatramin’ny mosary aza… Loza iray, loza roa. Tsy maintsy hatrehina fa tsy azo odian-tsy hita.
Na ahoana na ahoana, tsy afa-kifampiolonolona ny isam-pirenena fa mifampila: inona no azo atao, iaraha-manao? Mandeha ny karazana fihaonambe na fivoriana an-tampony iraisam-pirenena. Ho tonga hatraiza? Indrindra amin’ny fanatanterahana… Atao izay lazaina, lazaina izay atao. Mby ao an-tsaina amin’izany, ohatra, ny fanampian’ireo firenen-dehibe ny tany madinika noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny ataon’ireo firenen-dehibe sasany no tena manimba ny tontolo iainana?
Hatramin’izao, tsy hita be ihany, ohatra, izay fanajana sy fanatanterahana ny teny sy ny fampanantenana nomena ny amin’izay fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany izay. Iza no manao inona, aiza ary mankaiza… ? Tsy vitan-dresaka ny raharaha. Nefa tsapa sy iainana amin’izao fa mihamafy ny fahavoazana manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fiovaovan’ny toetr’andro… Ndeha hifampiandrasana? Na hifanomezan-tsiny, na hifanilihana… Tsy maintsy atrehina, zakaina, iainana.
Ndeha hiaritra fotsiny ve ny tena? Eo ny maha zava-dehibe ny fikarohan-dalana amin’ny famokarana. Izay mahavita tena amin’ny sakafo no hoe firenena matanjaka atsy ho atsy? Mila ovaina ny vina, ny politika fampandrosoana, ny paikady… Mby aiza? Fijery hafa sy lavidavitra kokoa amin’izay, tsy fakan-tahaka ny ataoan’ny hafa fa araka izay maha izy azy ny tena amin’izay mety ho vita sy azo atao…
R. Nd.