fandaharam-pibeazana eny amin’ny EPP sy CEG : notombanana ny boky 56 enti-mampianatra

Eo am-panavaozana ny fandaharam-panabeazana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’izao fotoana izao.

Rehefa hirosoana ny fa­natsarana, hisy koa ny fanavaozana ny boky enti-mampianatra hahazoana ny kalitao kendrena. Notom­banana ny boky fampianarana 56 efa nampiasaina ampolo taona maro teny amin’ny EPP sy ny CEG teto amintsika. Boky ho an’ny taranja Kajy sy Frantsay ho an’ny EPP ary ny boky Mathématique, Science de la vie et de la terre sy ny Science physique ho an’ny CEG, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny famokarana fandaharam-pibeazana sy ny tahirin-kevitra mifandraika amin’izany sy ny fikarohana ara-pedagojika, Rakotovo­lo­lona Helikanto, omaly, teny Antanimena.
Taranja fototra amin’ny fandaharam-pibeazana ireo sady efa hanaovana fanavao­zana rahateo ka tsy maintsy jerena ny boky enti-mampianatra.
Natolotra, omaly, ny vokatry ny fanombanana natao teto Madagasikara, handrafetana tondrozotra vaovao hanavaozana ny boky enti-mampianatra. Nandray anjara tamin’ny fanombanana ny manampahaizana manokana amin’ireo ta­ranja efatra voakasika sy ny teknisianina avy amin’ny mi­nisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tetikasa notanterahina amin’ny firenena enina aty Afrika ny fanombanana ka anisany i Madagasikara. Mano­hana ny tetikasa ny Confenem sy ny Unesco ary ny AFD.

Tsy ampy ny boky enti-mampianatra

Nambaran’ny mpampianatra sady mpampiofana amin’ ny taranja Frantsay, Randria­nomanana Jaona, fa tsy ampy ny fitaovana toy ny boky enti-mampianatra sady efa antitra ka mila fanavaozana. Tokony hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mpianatra eto amin­tsika koa ny votoatiny hanamora ny fampitana any an-dakilasy. Mila misokatra amin’ ny lalana hafa rehetra hampitana fahalalana koa ny isan-tsoka­jiny ka tsy ho sahirana rehefa misy olana toy ny fihibohana nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19.

Vonjy

Partager sur: