Indray mijery

Mandritra ny fotoan’ny ririnina, toy ny fanao isan-taona, manamaivana ny vesatry ny fianakaviana amin’ny fanatanterahana ny forazaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Tanterahina manerana ny Nosy, anatin’ny varavarana misokatra, amin’izao fotona izao, eny anivon’ny hopitalin’ny distrika sy ny faritra manerana ny Nosy ny forazaza. Maimaimpoana ny fanaovana azy hanampiana ny mpiara-belona. Vahoaka aman’arivony maro no hisitraka izany ary tsy vitsy ireo manana zazalahy miandry ity fotoana ity.

Hivory indray ny mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, rahampitso. Maromaro ny lohahevitra hifampizarana, anisan’izany ny tsy mbola nanatanterahan’ny fanjakana ny « décret » telo sy ny zo samihafa tokony hositrahin’ny mpampianatra mpikaroka. Nilamindamina ny resaka vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny fampianara­na ambony ka andrasana indray ny vokatr’ity fivorian’ny
mpampi­­­­­anatra ity.

Hotanterahina ny 12 sy 13 mey eto Antananarivo ny fihaonambe fanao isan-taonan’ny holafitry ny farmasianina. Fotoana fakan-kevitra mikasika ny fiainan’ny farmasianina sy ny fampandrosoana no hatao mandritra ny fihaonana. Hatao any Toamasina kosa ny faran’ny volana septambra ny andron’ ny holafitry ny farmasianina, araka ny tapaky ny filan-kevitra.

Partager sur: