Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Ambohimandry, distrikan’ Arivonimamo, afakomaly, ireo andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana tao an-toerana. Niainga avy ao Imerintsiatosika dia efa fantatry ny zandary ny fanafihana nokasain’izy ireo hatao. Nametraka ny vela-pandrika sy nanao fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimandry sy Miantsoarivo, notarihin’ny chef de poste tsirairay avy. Napetraka mialoha ny fandrika hisorohana ny fanafihana. Nahitam-bokany izany satria nifanehatra tamin’ny zandary ireo jiolahy. Raikitra ny fifampitifirina satria nanohitra ny zandary ireto malaso. Tsy naharesy tosika anefa izy ireo ka maty voatifitra ny jiolahy telo. Tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta efa mifahana, barre à pince, famaky sy sabatra, sakaosy feno akanjo. Ny fanadihadiana savaranonando no nahafantaran’ny zandary fa monina ao Itaosy ny roa amin’ ireo jiolahy voatifitra. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Anorana, kaominina Miandrandra/Arivonimamo, ny 16 avrily 2023 lasa teo, ry zalahy ireo. Nampitandrina hatrany ny zandary fa tsy mikoso-maso amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mangataka tolo-tanana amin’ny vahoakan’Ambohimandry hatrany izy ireo mba hisorohana ny asa ratsin’ireo jiolahy toy izao.
Jean Claude




