Fiofanana any Chine : nanatsara “record personnel” ireo atleta

Mizotra tsara ny fiofanana fanomanana ny lalaon’ny Nosy, tanterahan’ireo atleta malagasy any Chine. Avy niatrika fifaninanana fitsapana izy ireo ka azo lazaina ho tsara ny vokatra. Saika nahavita nanatsara ny “record personnel” avokoa ireo atleta teo amin’ny taranja atletisma. Anisan’ny nahavita izany Ra­zanazafy Haingo Brigitte teo amin’ny 100 m sokajy vehivavy. Vitany tao anatin’ny 11.53 io halavirana io. Nisongadina ihany koa i Vavara Aina Cleot, teo amin’ny 400m, lehilahy izay nahavita ny halavirana tamin’ny fe-potoana 47.59. Tsiahivina fa misy atleta sinoa efa manana haavo teknika ambony mifaninana amin’ny atleta gasy rehefa misy ny fifaninanana fitsapana toy izao. Mbola hitohy hatramin’ny volana jona izao ny fiofanana any Chine ho an’ny atleta malagasy manomana ny lalaon’ny Nosy.

Mi.Raz

Santionany tamin’ireo “record personnel”:
100m (V): Razanazafy Haingo Brigitte (11.53)/Rako­tonary Zo Henintsoa (11.71)/Razafimandimby Ophelie (12.42).
100m (L): Benandro Sylvain (10.48)/Randrianome­nitompo Bruto (10.50).
400m (L): Vavara Aina Cleot (47.88)/Razanadrafomba Damien Lorien (48.59).
800m (V): Rasoloheritina Fanirimalala Lynah (2.23.53).
110 (L): Zalasy Victor (15.10).
400mH: Cynthia Felicité (1.01.00).
Longueur: Razanamandroso Florentine(5.90).

Partager sur: