Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0.
Azon’ny ekipa voafantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja baolina kitra, sokajy U 19 lehilahy. Nomontsanin’ny ligin’Itasy tamin’ny isa 4 no ho 0 ny ekipan’ Atsimo Andrefana, nandritra ny lalao famaranana, natao omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By- pass.
Nanjakan’Itasy ny lalao tao anatin’ny 90 mn. Porofon’izany, efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0, izy ireo teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Vao minitra faharoa sy fahaenina, nahafaty baolina roa izy ireo. Nampitomboan’ny kapitenin’Itasy ho telo ny isan’izy ireo, tany amin’ny minitra faha-36. 3 no ho 0 ny isa nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, niezaka nanohitra ny ekipan’i Toliara, saingy tsy afa-nanoatra manoloana ny fanafihana sy ny fahaiza-manaon’ny mpifandrina. Niafara tamin’ny isa 4 no ho 0 ny lalaon’ny roa tonta.
Manana traikefa ry Pin sy Neymar ary i Laou, mpilalaon’ny ekipa voafantin’ Itasy. Toy izany koa ny fananana rindran-dalao tsara ho an-dry Perla sy Pogba ary i Ramos, mpilalao avy any Atsimo Andrefana? Voa teo amin’ny famonoam-baolina izy ireo.
Natao hitiliana ny mpilalao handrafitra ny Barea U20, hifanintsanana amin’ny Cosafa ity lalao ity. Araka ny vaovao voaray, hisy mpilalao avy any ivelany ny Barea U20. Hanampy azy ireo koa ny zatovo milalao amin’ny fifaninanana Orange Pro League.
Tsiahivina fa i Aboudou Amada no mpanazatra ny ekipam-pirenena zandrikely.
Fitia (Mpianatra asa)