Miova indray ny fanaon’ireo mpangalatra! Nirefotra indroa ny basy, jiolahy roa nitam-piadiana nangalatra moto teny am-pandehanana tetsy Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina.
Tsy nanampo na inona na inona ny tompony! Moto “scooter” marika Racing King, anisan’ireo hiaka farany, norobain’ny jiolahy roa lahy nitondra basy, tetsy Ambohitrimanjaka, omaly maraina. “Teo aloha kelin’ny tetezana, nisy moto iray mainty avy any aoriana nisongona ahy”, hoy ny tompon’io moto very io. Mody nijanona toy ireny olona hiala fa tonga amin’ny toerana nalehany ireny ny iray tamin’ireo roa lahy. Poa toy izay, navoakany ny basy teny am-balahany. “Taitra aho ka nidiko ny lohan’ny moto ary nandositra niaraka tamin’ny fanalahidin’ny moto aho”, araka ny fanamafisan’ilay tompona moto very. Niantso vonjy ity farany. Variana ny manodidina nijery azy kinanjo nirefotra tampoka ny basy teny an-tanan’ireo olon-dratsy. “Ento aty iny la clé iny”, hoy ny iray tamin’ireo jiolahy. Tampoka, nisy olona iray nisambotra tampoka ilay tompona moto ka nitsirara tamin’ny tany. “Heverin’io olona io fa izaho ny mpangalatra”, hoy ilay tompona moto. Nentin’ny tahotra, nanome ny fanalahidin’ilay moto moramora ho an’ireo jiolahy izy. Nanapoaka basy fanindroany ilay jiolahy ka nirifatra nandositra niaraka tamin’ny moto taorian’izay.
Tsy nisy nisaron-tava
Nanao aroloha ny iray nitondra ny moto raha toa ka tsy nisaron-tava ilay jiolahy iray nitondra ny basy nangalatra moto tetsy Ambohitrimanjaka, omaly io. “Nanao solomaso ilay nitondra ny basy fa tsy nisaron-tava sady tsy nanao aroloha”, hoy ny tompon’ny moto very.
Efa lasan’ireo olon-dratsy moa ny moto vao talanjona tamin’ny fahavoazan’io lasibatra io ireo nanatri-maso. Very niaraka tamin’io kodiaran-droa io koa ny finday “Iphone 7”. Nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ilay tompona moto very. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.