Nivoaka ny fahanginany ary nanao fanambarana ny eo anivon’ny antoko UNDD, ny 13 mey teo. Nampaneno lakolosy izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao.
Nambaran’ny birao politikan’ny antoko tamin’ny fanambarana, nosoniavin’ny filoha nasionaly vonjimaika, Manoro Regis, fa mandalo kihon-dalana sarotra eo am-baravaran’ny krizy marolafy mivaivay ny firenena. Notanisain’izy ireo ho anton’izany ny fifanandrinana mahery vaika eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra. “Tsy ahitana soritra hifandefitra fa mifanenjika. Miketrika valifaty ary misoko mangina sy mirangaranga ny resaka foko sy fiaviana ary firazanana”, hoy ny UNDD. Nohitsin’izy ireo fa mahazo faka ny fahantrana ary ahitana kolikoly ny sehatra rehetra. Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Zioga zakain’ny maro izany ka sao sanatria hipoaka ny sarombilany rehefa very tanteraka ny fanantenana, araka ny fanambarana.
Etsy andaniny, nanterin’ny UNDD fa very ny fitokisan’ny olona ny Andrimpanjakana sy ny rafi-panjakana. Anisan’izany ny mpanatanteraka, ny mpanao lalàna, ny fitsarana, ny HCC, ny Ceni ary ny mpitandro filaminana. “Very fanahy mbola velona ary mahatsiaro tena ho kamboty tsy misy mpiahy ny mpiray tanindrazana”, hoy izy ireo.
Nitondra vahaolana ny UNDD
Na izany aza, nitondra vahaolana ny UNDD ny amin’ny tokony hanehoana firaisankina sy fiaraha-mientana. Notsiahivin’izy ireo ny antso efa nataony amin’ny filohan’ny Repoblika, ny handraisana fepetra hirosoana sy hametrahana filaminana maharitra ary hampihavana ny Malagasy. “Ahazoantsika miroso tsy misy sakana ho amin’ny fampandrosoana…. Eo koa ny antso ho an’ny antoko politika amin’ny hiaraha-manangana firenena mendrika ny taranaka… Hampijoro Repoblika Malagasy isika ka ho iray ao anaty fahasamihafana ary tena samy Malagasy koa”, hoy ny UNDD.
Synèse R.