Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy. Noresahany ny hananganana ny birao tokana ho an’ny fanondranana volamena any ivelany. Eo koa ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany.
Maromaro ny fiovana eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany, manomboka izao. Hatsangana ny birao tokana ho an’ny fanondranana volamena any ivelany, eny amin’ny foibe Mining Business Center (MBC), eny Ivato. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa natao izany mba hanamorana ny fikarakarana, ka hatao eny amin’ity birao tokana ity ny antontan-taratasy rehetra, ny fandoavam-bola ary ny entana. Satria manan-danja sady saro-pady ny volamena.
Tsy maintsy misy
bokin’andraikitra
Mikasika ny harena an-kibon’ny tany ankapobeny, eo am-pikarakarana ireo fahazoan-dalana, izay manodidina ny 3.000 ankehitriny. Vao nankatoavina tamin’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Maromaro ny zava-baovao nohavaozina. Anisan’ izany ny tsy maintsy hanaovan’ny mpandraharaha rehetra (vaventy sy madinika) bokin’andraikitra.
Naravona ao anatin’ny antsoina hoe «Permis réservés aux petits exploitants artisanaux» (PREA) ny fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka madinika.
Anisan’ny zava-baovao koa ny tamberim-bidy 5% raha 2% teo aloha. Ka ho an’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD) ny 2%, tsinjarain’ny kaominina, ny faritra ary ny faritany. Mankany amin’ ny fanjakana kosa ny 3%. Notsipihin’ny minisitra, fa tsy maintsy hisy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitantana ny CTD, mba hifehezana tsara ny fitantanana izany tamberim-bidy izany. Efa maro tamin’izy ireny no niditra am-ponja, satria nisy ny fanodikodinam-bola na kolikoly na fitantanana tsy mazava.
Fahaiza-mitantana
Araka ny efa notaterina teto, nahena koa ny velarantany hosahanin’ny mpandraharaha, toy ny fikarohana, ny fitrandrahana, ny fanavaozana ny fahazoan-dalana, sns. «Tanjona ny hisian’ny fahaiza-mitantana, ka hampiroborobo ny fitrandrahana vaventy, ary mba tena ho matihanina ny mpitrandraka madinika», hoy ny minisitra Rakotomalala Herindrainy.
Miditra amin’ny dingana fahatelo hidirana ho mpikambana feno ao amin’ny rafitra hisian’ny mangaraharaha
amin’ny fitrandrahana indostrialy (EITI) koa i Madagasikara. Haroso amin’ny jolay 2023 izao ny fandinihina azy, hanombanana ny ezaka vita hatramin’izay.
Njaka Andriantefiarinesy