Hatao ihany ny fifidianana? Tsy ampy hanaovana izany ny vola 70 miliara Ar, raha ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni,
“Kely izany 70 miliara Ar izany, ary tsy mety hahavitana fifidianana”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, manoloana ny resaka hoe 70 milira Ar no zakan’ny fanjakana enti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa. Tena kely, sarotra inoana ny hahatanteraka fifidianana amin’izany tetibola izany. Tsara ny hanontaniana ireo komitin’ny fifidianana teo aloha: ohatrinona no nanaovan-dry zareo fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany sy faharoa, tamin’ ny taona 2018?
“Maniraka antsika ndeha hiondrika amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Tsy maninona, raha izay no mahasoa ny firenena”, hoy izy. ”Tsy mbola ofisialy izay hoe vola 70 miliara Ar izay. Misy resaka aparitaky ny olona any amin’ny tambajotran-tserasera sosialy, lazaina fa ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika no mamoaka azy. “Tsy manam-potoana hanamarinana an’izany ny Ceni, fa ny zava-dehibe amin’izao: ahoana ny hampidirana ny olom-pirenena rehetra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy?”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ao amin’ny Ceni ity.
Mahalala ny tokony hataony
“Eny anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ny fanapahana farany ny amin’izay tetibola hoenti-manomana ny fifidianana. Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana ry zareo mpanao lalàna amin’izao. Ho hita eo raha kely na be ny vola homeny. Mieritreritra izahay hoe tsy kely na be no tokony ho izy fa ny antoniny. Ry zareo no mahalala ny tokony hatao amin’izany, fa efa natolotray ny tokony homena. Iaraha-manana ny firenena”, hoy ihany izy.
Nisy ny adivarotra, satria mampiseho fahasahiranana amin’ny vola ny fitondrana. Mahafantatra izany ny rehetra manaraka ny raharaham-pirenena. Ao anatin’izao fahasahiranana izao, misy tomponandraikitra ny Ceni: mahalala ny tokony hatao na tsia, ny azo ampandeferina. “Ho an’izay manatontosa andraikitra, satriny hiaina tsara amin’ny andraikitra iantsorohany fa tsy maintsy mihafy rehefa ao anatin’ny fahasahiranana. Misy fetra anefa izay fihafiana izay: ihafiana izay azo ihafiana, ajanona izay tsy azo ihafiana.”, hoy izy namarana ny resaka. Hanao ahoana?
R. Nd.