Antoko MMM: “Tsy ilaina ny Tetezamita… Aleo hadio ny fifidianana”

Nitohy tany Alaotra Mangoro indray ny famelabelaran-kevitra sy fihaonan’ny antoko Malagasy miara-miainga amin’ny vahoaka, ny herinandro teo. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany ny hevitr’izy ireo, momba ny raharaham-pirenena.

«Tsy ilaina ny fametrahana fitondrana Tetezamita. Ny fifidianana no tokony hatao ny hampadio azy ahafahan’ny filoha vaovao eo mampandroso ny firenena», hoy izy. Ni­verimberina tamin’ny fanontanian’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonana rahateo izany. Notakin’ny MMM ny hirosoana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary ny valim-pifidianana eken’ny rehetra. Tokony izany no hi­masoana, araka ny nambarany. Voa­resaka koa ny momba ny olan’ny any Ambatondra­zaka ka nitondran’ny filoha nasionalin’ny MMM fanazavana ny hamahana izany. Nambarany fa apetraka amin’ny toerany sy omena fahatokisana ny olona eny ifotony rehefa tena mipetraka ny fitsinjaram-pahefana. Betsaka ny olana ho voavaha ary tsy hiandrasana ny fanjakana foibe, araka ny nambaran’ny ny filoha nasionalin’ny antoko MMM, hatrany.

Fampanana asa, fanabeazana…
Etsy andaniny, nanteriny fa tokony hatao laharam-pahamehana ny famokarana raha tiana ny hampandroso ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny famokaram-bary, anisan’ny mampiavaka an’iny faritra iny sy ny maha sompitra azy.
Fotoana koa io nihainoan’ny mpitarika MMM ny maharary ny vahoaka. Teo koa ny fiarahana mitady vahaolana momba ny fampanana asa ny tanora. Ny sehatry ny fampianarana, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ma­nampy izany ny olana eo amin’ny lalam-barotra, ny vidim-bokatra tsy mifanaraka amin’ny masonkarena lanin’ny tantsaha sy ny maro hafa.
Nentanin’ny antoko koa ny olom-pirenena hanaraka akaiky ny zotram-pifidianana, hanoratra sy hanamarina ny anarana ao anty lisi-pifidianana.

Synèse R.

Partager sur: