Hametraka tantara ireo mpitantanana ao Toamasina. Anisan’izany ny lehiben’ny Faritra sy ny ben’ny Tanàna. 68 taona aty aoriana, nahavitan’ny Araben’ny Fahaleovantena, hisy ny fanatsarana hatao. Omena endrika vaovao ny toerana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny, tamin’ity herinandro ity. Heverina hisarika mpizahatany ny endriky ny tanàna ary maha te- honina. Toamasina amin’ny endriny vaovao no ho tazana. Nambaran’ireo nandaha-teny fa ho ara-bakiteny, aorian’izao fanamboarana izao, ny « Toamasina madio sy mazava ». Nanterin’ny filoha lefitry ny Antenimiera misahana ny faritan’i Toamasina, Razara Pierre Fidel na i « Del kely », fa miasa ny fitondram-panjakana ary aseho ny vahoaka izany. «Hatsaraina ny renivohi-paritany rehetra. Ampiasaina araka ny filan’ny vahoaka ny tamberim-bidin’ny asa vokarin’ny Tetikasa Ambatovy», hoy izy. Nanafatrafatra ny orinasa nahazo ny tolotrasa amin’ny fanamboarana ny lalana ny tenany mba hanome asa mendrika sy mateza ary ho fotodrafitrasa lovain-jafy. Harahi-maso amin’ny fomba hentitra ny hamafin’ny fotondrafitrasa amboarina, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa ampahan’ny vola azo avy amin’ny tamberim-bidin’ny fitrandrahana kobalta sy nikela ataon’ny Tetikasa Ambatovy no hanaovana ny asa. Nohamafisin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Razafiarison Jean Jugus, sy ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny faritra ary ny mpanao lalana. Niaraka nanapa-kevitra ny hametraka tantara tsy hohadinoina ho an’i Toamasina. Mitaky fiovan’ny toe-tsaina koa anefa izany fotodrafitrasa maoderina izany. «Mba ho mendrika zava-baovao hifanaraka amin’izao fitondrana Fanavaozana izao isika», hoy izy ireo.
Sajo sy Synèse R.




