Diosezin’i Morondava: voatendry ho eveka mpanampy Rakotojaona Jean-Nicolas

Notendren’ny papa Fran­soa, tamin’ny 19 mey lasa teo, ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava ny pretra Rakotojaona Jean-Nicolas, izay pretra diosezianina avy amin’ny diosezin’ An­tananarivo. “Misaotra an’ Andriamanitra ny Fi­von­dro­namben’ny eveka eto Ma­dagasikara amin’ny nanendreny sy nanomezany mpiandry ondry vaovao, ny Mgr Rako­tojaona Jean-Nicolas, izay ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Moronda­va”, hoy ny filohan’ny Fivondronam­ben’ny eveka eto Madagasi­kara sady eveken’i Moronda­va, ny Mgr Ralamboniaina Marie Fabien, ny amin’izany.
“Isaorantsika ny papa Fran­soa sy ny Nonce apostolique ny Mgr Tomasz Grysa nanampy antsika nahita ity mpiandry ondry vaovao ity”, hoy izy. Raha sitrapon’An­dria­manitra, amin’ny alahady 2 jolay amin’ny 7 ora sy sasany, no hanamasinany azy ao amin’ny kianjan’ny kolejy Md Paoly. Miantso ny rehetra ho amin’izany izy, ary manasa ny vahoakan’i Menabe hivavaka ho an’ny eveka vaovao. Teny fanevany ny hoe : “Jesoa, matoky Anao aho”.

R. Nd.

Partager sur: