Kick Boxing: lavon’i Jean Zorres i Johnny

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mitafo Maha­masina, ny lalao fihantsiana «Real Fight», taranja Kick Boxing, izay karakarain’ny klioba Kick Boxing Avenir (KBA). Lavon’i Jean Zorres, mpikatroka ao amin’ny Cosfa teo amin’ny “5ème Round”, Rakotondrabra Laurent John­ny na i Jonace, mpikatroka AFKM, teo amin’ny fihaonan’ny sokajy «Elite».
Resy amboninahitra i Jonace, tamin’ity fankalazana ny fahafito taonan’ny KBA ity. Tsiahivina fa ity no lalao farany nataon’i Jonace. Resy ny lehilahy, saingy nitondra avo sy nametraka tantara teo amin’ny kick boxing malagasy. Anisan’izany ny nahavoahosotra ho tompondakan’i Madagasikara azy in-15, ary efa nahazo medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy 2013. Nahazo medaly alimo, tamin’ny Mondial 2015, natao tany Serbia. Ankoatra izay, tompondaka lefitra nandritra ny lalao maneran-tany ny taona 2013, 2011, izy, raha toa ka tompon’ny amboara nandritra ny lalaon’ny Nosy 2007, tamin’ny taranja “Boxe Savate” Frantsay. “Tsara ny fifaninanana ary azo lazaina fa tratra ny tanjona ho anay mpikarakara”, hoy Andriana­va­lona Fenosoa, filohan’ny KBA.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: