Lasa lavenona tao anatin’ny ora maromaro, ireo kamiaobe kila hotohoton’ny afo, tao amina garazy iray, ao amin’ny fokontany Antanimalandy, Mahajanga II, omaly atoandro…
Afobe! Nitrangana fahamaizana mahatsiravina tao amina garazy ana mpandraharaha iray mpitantana tobin-tsolika ao Mahajanga, omaly tamin’ny 12 ora sy 48 mn. Nahazo loharanom-baovao ny eo anivon’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Mahajanga momba ity loza ity. Nidina haingana tao amin’ity garazy ity ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’ny firehetana. Afo efa nijoalajoala narahina setroka maintibe no hita tao an-toerana. Nirehitra tamin’io fotoana io ny kamiaobe citernes roa mpitondra solika, traktera efatra, remorques citernes fitondrana solika telo, lohana kamiaobe iray ary remorques bachée roa. Kila hotohoton’ny afo tsy nisy noraisina intsony ireto fiarabe ireto, raha ny loharanom-baovao voaray avy any Mahajanga. Voalazan’ny fampitam-baovao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena hatrany fa fipoahana herinaratra niainga avy tamina “poste soudure” no nitarika ny firehetana satria nisy mpiasa nampiasa io fitaovana io tao. Mbola nanamafy izany rahateo koa ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy siantifika ao Mahajanga.
Amina miliara ny tentim-bidin’ny entana simba…
Mafy ny fahavoazana tamin’ity loza nitranga tao Antanimalandy ity saingy na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra fa avotra soa aman-tsara ireo olona tao amin’ilay garazy. Araka ny tombana nampitain’ny zandary tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo, mitentina 2 miliara Ar mahery ny fahavoazana naterak’ity firehetana ity. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny sampana mpamonjy voina ao Mahajanga. Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina tamin’ny famonoana ny afo tamin’ny alalan’ny fitaovana eo am-pelatanan’izy ireo. Nampanano sarotra ny famonoana ny afo ny solika tao amin’ireo kamiaobe, raha ny fanazavan’ny mpamonjy voina. Ny polisim-pirenena no misahana ny fanohizana ny fanadihadiana rehetra momba ity loza ity ka aorian’izay no ahafantarana ny marina rehetra momba izany. Tsy misy afa-tsy ny fahamailoana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza toy izao.
Jean Claude