Kitra any Espaina : manohana an’i Vinicius ny Fifa

Nanatevin-daharana ireo mpanohana an’i Vinicius, ilay Brezilianina, mpilalao Real Madrid Espaina, i Gianni Infantino, filohan’ny Federa­siona maneran-tanin’ny baolina kitra Fifa. Tsiahivina fa ny alahady lasa teo, nataon’ny vahoaka tao Mestalla ho toy ny rajako ity mpilalaon’ny Real Madrid ity.
“Tsy voalohany, na faharoa, na fahatelo. Lasa mahazo vahana ny fanavakavaham-bolonkoditra ao amin’ny La Liga, Espaina. Mihevitra ny fifaninanana fa ara-dalàna izany, ny Federasiona koa dia mihevitra fa azo atao izany ary mampirisika ireo mpijery hanao ny fihetsika tsy mendrika. Maro anefa ireo mpilalao nandalo tao amin’ity fifaninanana any Espaina ity. Ani­san’izany i Ronaldinho, Ro­naldo, kintan’ny baolina kitra brezilianina, i Cristiano, mpanjakan’ny baolina kitra portiogey ary Messi, mpanjakan’ny baolina kitra arzantinina. Ankehitriny, lasa firenena mpanavakava-bolonkoditra i Espaina.”, hoy ity lehi­ben’ny Fifa ity.
Araka ny nambarany dia misy lalàna telo mihatra, raha sendra misy mpilalao iha­ran’ity fanavakavahana amin’ ny lokon-koditra ity. Voalo­hany, atsahatra ny lalao. Ny faharoa, miala amin’ny kianja ny mpilalao ary manambara ny tomponandraikitra fa raha mitohy izany fihetsika tsy mendrika izany, hampiatoana ny lalao ary averina indray. Ny farany, raha miverina ny resaka racisme dia hifarana ny lalao ary lasan’ny mpifanandrina ny isa telo.
Marihina fa, nametraka fitoriana mahakasika ity raharaha ity ny ekipan’ny Real Madrid.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: