Kung-fu 43 taona: nitohy tany Vakinankaratra ny fankalazana

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-43 taona nidiran’ny kung-fu voalohany teto Ma­dagasikara amin’izao ny federasiona malagasin’ny kung fu Wisa (FMKFW). Mitohy ny fitetezam-paritra ho fanamarihana izany, ka ny Grand Maître Avoko sy ny delegasion’ny FMKFW no mitarika izany. Natao ny zoma teo ny fihaonana tamin’ireo mpikatroka kung-fu ao Ambato­lampy, Antanifotsy ary ny fihaonana tamin-dRamatoa talen’ny DRJS ao Antsirabe. Nisy ihany koa ny fifampidinihana niarahana tamin’ny talen’ny kabinetran’ny Kao­minina Antsirabe renivohitra, ho fanamafisana ny fanabeazana.
Mialohan’ny fihaonambe, noraisin’ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, Ra­kotovao VyVato ireto delegasion’ny kung-fu ireto ka nohamafisina tamin’izany ny fampanarahan-dalàna. Nitohy tao amin’ny distrikan’i Mandoto ny hetsika, ny sabotsy lasa teo, ka 3000 mahery no nanao diabe sy fampisehoana tao Ankazomiriotra. Nisy ny fanolorana mari-pahaizana federaly, nataon’ny FMKFW tamin’ireo Maîtres kung-fu nahavita fanadinana.
Rakotra kung-fu i Vakinankaratra

Tao an-tampon-tanànan’ Antsirabe kosa no namaranana ny fihaonana, ny alahady teo. Marobe ny mpanao kung-fu tsy tafiditra tao anaty efitrano satria an’arivony ireo tonga nanotrona. Nisy hatrany ny fampisehoana fahaizana sy fanolorana ara-teknika an’ireo mpikatroka ary fanomezana mari-pahaizana federaly ho an’ireo afa-panadinana. Na­namafy hatrany ny Grand Maître Avoko ny hanarahan’ny mpikatroka rehetra ny fitsipika mifehy ny kung-fu Wisa mba hampiakatra hatrany ny haavo teknika eo amin’ny klioba tsirairay. Nampaha­tsiahivina ny fanasàna ny vahoaka rehetra hitsidika ny pejy fesiboky “Mifohaza RY Gasy” fa marobe ny tombontsoa sy fahalalana tsara ho fantatra ao anatin’izany.
Hitohy any amin’ny faritra maro ity fitetezam-paritra ity mba ho fankalazana izany faha-43 taonan’ny kung-fu izany.

Mi.Raz

Partager sur: